2022
Namana mpiara-milasy
Septambra/Ôktôbra 2022


Namana mpiara-milasy

Tamin’ny voalohany dia nahatsapa ho toy ny vahiny i Edison.

Sary
boys sitting around campfire at night

Nandaka ny tany i Edison. Niresaka sy nanangana ireo trano lay ny ankizilahy hafa rehetra. Saingy tsy nahafantatra na iza na iza izy.

Tsy nandeha nivavaka intsony ny fianakavian’i Edison nandritra ny fotoana maharitraritra taorian’ny nifindran’izy ireo tany Espaina. Fa tonga tany aminy ireo ankizilahy avy ao amin’ny paroasy avy eo dia nanasa azy hamonjy ilay fandehanana milasy. Ohatra an’ny hoe hahafinaritra ilay lasy raha ny fiheviny azy, saingy tamin’izay dia tsy azon’i Edison antoka hoe tena te hanatrika ilay lasy marina izy rehefa tonga tany. Nahatsapa ho vahiny izy.

Nisy ankizilahy anankiroa, dia i Diego sy i Juan, nanatona an’i Edison. “Te hiray trano lay aminay ve ianao?” Hoy i Diego nanontany.

Nisento i Edison dia nitsiky. “Eny.”

“Tsara be izany!” hoy i Juan. “Ary afaka mandeha milomano isika avy eo.”

Nanangana ny lainy ireo zazalahy dia nihazakazaka nankeny amin’ny renirano. Nangatsiaka ilay rano, kanefa efa nahazo fahafinaretana lehibe tokoa i Edison tamin’izay ka zara raha tsikariny izany. Taorian’ny sakafo antoandro dia nandeha nanao dia lavitra ireo zazalahy sy ireo mpitarika. Niverina izy ireo raha vao nanomboka nody ny masoandro, ka dia nanampy tamin’ny fananganana afon-dasy izy ireo.

“Ohatra an’ny ahoana ny fianakavianao?” Hoy i Juan nanontany.

Nandatsaka antontan-drantsan-kazo teo akaikin’ny afo i Edison. “Azo lazaina hoe mahafinaritra ny ray aman-dreniko. Ary ny zokiko vavy no namako akaiky indrindra. Nifindra taty avy any Equateur izahay.

Nifampijery tamim-pitsikiana be i Diego sy i Juan.

“Avy any Equateur koa izahay!” Hoy i Juan.

Nosokafan’i Diego ny akanjo mafanany mba hampisehoana ny T-shirt nanaovany. Nisy sary famantarana ny ekipa mpilalao baolina kitra avy ao Equateur teo amin’ilay izy!

“Oay e!” Hoy i Edison. “Inona izao no maha-manina be anareo indrindra momba an’i Equateur?”

Nihomehy i Diego sy i Juan. “Ny sakafo!” hoy izy roalahy niteny mafy.

Nanohy niresaka momba ny zavatra naha-manina azy momba an’i Equateur sy ny zavatra tian’izy ireo momba ny fipetrahany any Espaina ireo zazalahy. Tian’i Edison fa mora ery ny niresaka tamin’i Diego sy i Juan.

Avy eo dia nitsangana Rahalahy Cisneros, izay iray tamin’ireo mpitarika. “Ô ry zareo a!” Tianay raha mba faranana amin’ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona ity alina ity.”

Nifandimby tsirairay nizara ny fijoroany ho vavolombelona ireo zazalahy sy ireo mpitarika. Nahatonga an’i Edison nahatsapa ny fony ho toy ny norakofana bodofotsy mafana ny tenin’izy ireo.

Nitsangana i Diego. “Fantatro fa marina ny Fiangonana. Fantatro fa Raiko Andriamanitra ary Mpamonjy ahy i Jesoa Kristy.

Nihamafy kokoa ilay fahatsapana hafanana. Te hahafantatra izany koa aho, hoy i Edison nieritreritra.

Rehefa tonga tany an-trano avy tany amin’ilay lasy i Edison dia nijanona tao an-tsainy ny tenin’i Diego. Niriny raha mba afaka nankany am-piangonana izy hianatra momba an’i Jesoa miaraka amin’i Diego sy i Juan.

Tamin’io alina io nandritra ny sakafo hariva, dia nanontany i Dada hoe “Nanao ahoana ilay fandehanana nilasy?”

“Tsara be ilay izy!” Hoy i Edison. “Nilomano sy nanao dia lavitra ary nanangana afo izahay. Nahazo namana roa mihitsy koa aza aho izay avy any Equateur koa!”

“Mahafinaritra izany! Tokony hasaintsika aty an-trano izy ireo,” hoy i Neny.

Niato kely i Edison. “Afaka manomboka mankany am-piangonana indray ve isika?”

Tsy niteny na inona na inona nandritra ny fotoana fohy i Neny sy i Dada. Nikohoka kely nanadio ny tendany mba hampazava ny teniny i Neny. “Raha te handeha ianao dia tsy maninona,” hoy izy. “Fa izaho sy i Dada tsy handeha any.”

Nigorisa niletaka teo amin’ny sezany izy. Tsy te handeha irery tany am-piangonana izy. Sao dia tokony hijanona ao an-trano miaraka amin’ny fianakaviany ary izy.

Avy eo dia tadidin’i Edison ilay hafanana tsapany avy amin’ilay fivoriana fijoroana ho vavolombelona. Na dia tsy te handeha tany am-piangonana aza ny fianakaviany, dia te handeha i Edison.

Ankoatra izay dia tsy ho irery izy. Nitsiky i Edison teo am-pihinanany ny sakafony. Dia noraisiny avy eo ny telefaonina. Nahafantatra namana afaka hiaraka aminy tany am-piangonana izy!

Sary nataon’i Hollie Hibbert

Hamoaka printy