Miara-manara-dia an’i Jesoa
“Manangana an’i Ziona,” Koharu sy Itsukaary Rento G., 8 sy 6 ary 4 taona, Gifu, Japon
“Ny Fahariana,” Takanta B., 9 taona, Samut Prakan, Thailand
Thomas F., 9 taona, Idaho, Etazonia
“Ny Fahitana Voalohany,” Aria N., 8 taona, Ohio, Etazonia
Brielle E., 9 taona, Texas, Etazonia
“Ny fanasan’ny Tompo,” Aron S., 10 taona, Piauí, Brésil
Nianatra aho mba hiomanana tamin’ny fanadinana matematika ary nivavaka mba hahay an’ilay izy. Adinoko ny fomba famahana olana iray. Noho izany dia nivavaka aho mba hangataka fanampiana. Afaka minitra vitsy dia hitako tao an-tsaiko ny fomba hamahana ilay olana. Nanao vavaka mangina aho hisaorana ny Ray any An-danitra tamin’ny fanampiany.
Sophie N., 10 taona, Vienne, Autriche
Nahatsapa ho olona niavaka sy dibo-kafaliana aho rehefa natao batisa tamin’ny faha-valo taonako.
Melchizedek G., 8 taona, Région du Centre, Ghana
Vao sambany aho no nifady hanina! Nahatsapa ny Fanahy Masina aho.
Clark N., 9 taona, Arizona, Etazonia
Diso fanantenana tamin’ny fianarana sy ny valanaretina aho, kanefa nanampy ahy ho tony ny Ray any An-danitra. Fantatro fa tia ahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Hailey C., 8 taona, Nevada, Etazonia
Nisy rambon-danitra goavana tany amin’ny toerana ipetrahako. Nivavaka aho mba tsy hamely ny tranonay ilay izy. Nony maraina dia nahita sampan-kazo teny rehetra teny izahay! Tonga nanampy anay hanadio ny olona avy ao amin’ny paroasinay. Nisaotra ny Ray any An-danitra aho nanampy anay mba tsy ho azon-doza.
Rhett B., 12 taona, Wisconsin, Etazonia
Narary aho nandritra ny dia iray ka nahazo fitsofan-drano. Nino aho fa ho sitrana ary afaka nankafy ny sisa tavela tamin’ilay dia niaraka tamin’ny fianakaviako.
Ellie G., 10 taona, Guayas, Equateur