2022
Aoka Andriamanitra no hanjaka!
Septambra/Ôktôbra 2022


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Aoka Andriamanitra no hanjaka!

Namboarina avy amin’ny “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona nôv. 2020, 92–95.

Sary
boy and girl standing and looking happy

Fantatrao ve ny dikan’ny hoe mamela an’Andriamanitra hanjaka? Midika izany fa mamela Azy ho ny hery mitaona matanjaka indrindra eo amin’ny fiainantsika isika.

Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro ve ianao? Hamela ny feony hanan-danja kokoa noho ny feo hafa rehetra ve ianao?

Rehefa mamela an’Andriamanitra hanjaka ianao dia hianatra ireo fahamarinana mandrakizay mba hitarika ny fiainanao. Rehefa mamela an’Andriamanitra hanjaka ianao dia safidy maro be no ho lasa mora atao kokoa. Ho fantatrao:

  • Ny zavatra tokony hojerena sy hovakina

  • Ny fomba hampiasana ny fotoanao

  • Ny zavatra tianao hotratrarina

  • Hoe te ho lasa karazan’olona toy ny ahoana ianao

Mitaky finoana sy herim-po ny mamela an’Andriamanitra hanjaka. Rehefa mamela Azy hanjaka ianao dia hahafantatra fa ny Andriamanitsika dia “Andriamanitry ny fahagagana” (Môrmôna 9:11).

Inona no hataonao?

Sary
Page from the September/October 2022 Friend Magazine.

Hamela heloka ve ianao?

Tsy fanahy iniako ny nanao an’io.

Ho marin-toetra ve ianao?

Alaiko ve ity sa tsia?

Ho tsara fanahy ve ianao?

Hisafidy ny hijery zavatra tsara ve ianao?

Tena mampihomehy be! Miteny an’izany daholo ny olona.

Sary nataon’i Kiersten Eagan

Hamoaka printy