2022
Ry namana malala
Septambra/Ôktôbra 2022


Ry namana malala,

Sary
picture of children with actor playing Jesus

Fotoana nampatahotra izany ho an’ireo olona tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nisy oram-baratra sy afo ary horohoron-tany lehibe niseho. Maizina ny andro nandritra ny telo andro. Tampoka teo anefa dia naheno ny feon’i Jesoa Kristy ny rehetra. Izy no nahary ny tany hoy Izy. Nilaza Izy fa rehefa mibebaka sy manatona Azy isika dia ho voavonjy. Azonareo an-tsaina ve ny halehiben’ny fankaherezana tsapan’ilay vahoaka? Taorian’izay dia tonga nitsidika mivantana ilay vahoaka i Jesoa. Mankanesa ao amin’ny pejy 16 raha hijery ny fomba nanaovana horonan-tsary iray momba io tantara kanto io.

Tianay ianareo,

Namana

Fanamarihana: Mba manorata dia tantarao aminay ny fotoana nahatsapanao fampiononana sy fanantenana avy amin’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy