2022
Andao hifankahafantatra amin’i Jarom avy any Mexique
Septambra/Ôktôbra 2022


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Jarom avy any Mexique

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
boy in blue shirt

Ny mombamomba an’i Jarom rehetra

Sary
boy holding up pets

Taona: 10

Avy any: Mexico City, Mexique

Fiteny: Espaniôla

Tanjona sy nofinofy: 1) Ho lasa dokoteram-biby na psykôlôgy. 2) Manao sary tsara tarehy. 3) Mitondra ny hafa amim-panajana sy amin-katsaram-panahy.

Fianakaviana: Jarom, Neny, Dada, rahalahy zoky sy zandry anankiroa

Ireo asa fanomezan-tanana ataon’i Jarom

Sary
boy taking care of dogs

Manana alika kely anankitelo i Jarom. Isan’ny asa ataony ny mamahana azy ireo isan’andro. Tiany be mihitsy izy ireo. Olona mahay mihaino tsara sy misiônera ihany koa i Jarom. Rehefa fantany fa nodimandry ny dadaben’ny namany dia niantso ilay namany i Jarom. Nihaino azy i Jarom. Nankahery azy koa izy dia niresaka taminy momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika.

Tian’i Jarom ho faly ireo namany. Matetika izy no miresaka amin’izy ireo momba ny Fiangonana sy manasa azy ireo hanatrika ireo fivoriana sy fiaraha-mientana. “Rehefa mivavaka ianao, dia tadidio ny namanao sy ny fianakavianao,” hoy i Jarom. “Mangataha hevitra ahafahanao manampy azy ireo.”

Ireo zavatra tian’i Jarom indrindra

Sary
illustrations of Jarom’s favorites

Toerana: Ny toeram-pilalaovana sy ny trano fiangonana

Tantara momba an’i Jesoa Kristy: Tamin’Izy nanampy lehilahy jamba iray sy tamin’Izy nitsangana tamin’ny maty

Hira ao amin’ny Kilonga: “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53)

Sakafo: Lasopy Pozole, ovy nendasina, ary doughnuts

Loko: Manga sy volomparasy

Taranja any an-tsekoly: Tantara sy jeôgrafia

Hamoaka printy