2022
Fitsidihana ny toerana fanatontosana ireo horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna
Septambra/Ôktôbra 2022


Fitsidihana ireo toerana fanatontosana ireo horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna

Sary
picture of children with actor playing Jesus

Vao tsy ela akory izay izahay no nitsidika ny iray amin’ireo toerana niraketana an-tsary ny horonan-tsary vaovao iray momba ny Bokin’i Môrmôna. Nanana fahafahana hijery ilay seho izay niresahan’i Jesoa Kristy tamin’ny ankizy tsirairay izahay.

Nijery izahay teo am-pikasihan’ireo ankizy ny tanan’ilay mpilalao sarimihetsika nilalao ny toeran’i Jesoa. Niresaka tamin’izy ireo tamin’ny hatsaram-panahy sy halemem-panahy izy, tahaka izay ho nataon’i Jesoa.

Nilaza taminay ireo ankizy fa noho ny zavatra niainan’izy ireo dia vao mainka nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Bokin’i Môrmôna. Tena tonga tany amin’ny Nefita i Jesoa. Tena nanome tsodrano ireo ankizy Izy. Marina ilay tantara.

Afaka mahafantatra izany koa ianao. Halalino ny Bokin’i Môrmôna. Jereo ireo horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa manao izany ianao dia afaka manakaiky kokoa an’i Jesoa. Tena lalainy ianao. Ary hanampy anao hahatsapa ny fitiavana sy ny fiadanan’ny Mpamonjy ny Fanahy Masina.

Tsara fanahy sy nalemy fanahy ilay mpilalao sarimihetsika nilalao ny toeran’i Jesoa.

Sary
Primary presidency with children

Tian’ny Fiadidian’ny Kilonga ny nihaona tamin’ireo ankizy teo amin’ny toerana nanaovana ny horonan-tsary.

Sary
a crane lifting up actors dressed like angels

Tamin’io seho io dia notazomina tamin’ny tariby hitsingevaheva ireo anjely!

Sary
group photo of children on Book of Mormon set

Ankizy maro no nanana fahafahana ho ao amin’ilay horonan-tsary.

Sary
girl holding up umbrella for cameraman

Nanampy ny mpikirakira ny fandehanan’ny fakan-tsary ho tony hatrany ity zazavavy ity.

Sary
A young woman dress in a book of Mormon costume on the movie set.

Tsapako ho toy ny niaina ny Bokin’i Môrmôna aho.

Emoani W., 11 taona

Sary
A youth dressed as an extra in the Book of Mormon video.

Nanampy ahy ilay izy hahafantatra fa tena nitsidika ireo olona ireo i Jesoa.

Isaac P., 7 taona

Sary
A youth dressed in a Book of Mormon costume.

Rehefa nipoitra i Jesoa sy ireo anjely dia nahafaly ahy izany.

Lilly W., 8 taona

Sary
A youth dressed in a Book of Mormon costume.

Afaka mizara ilay horonan-tsary amin’ny rehetra ianao!

Castle W., 9 taona

Sary
A youth dressed in a Book of Mormon costume.

Hianatra kokoa momba an’i Jesoa Kristy ianao.

Christina C., 9 taona

Sary
A youth dressed in a Book of Mormon costume.

Nampanontany tena ahy ilay izy hoe ho toy ny ahoana re izany hihaona amin’i Jesoa izany.

Rhett M., 4 taona

Sary
photos from children at Book of Mormon set

Hamoaka printy