2022
Ahi-dratsy sy teny ratsy
Septambra/Ôktôbra 2022


Ahi-dratsy sy teny ratsy

“Maninona isika raha manao voadin’ny mpianakavy?” Hoy i Neny nanontany.

Sary
mom and boy weeding together

“Afaka miresaka ve isika?” Hoy i Jonas nanontany an’i Neny. Nipetraka teo amin’ny bozaka teo akaikin’ny toerana nanesoran’ny reniny ahi-dratsy teo amin’ny fambolena voninkazo izy.

“Eny! Fa misy inona?” Hoy i Neny nanontany. Nesoriny ny fonon-tanany maloto fikarakarany zaridaina.

“Nisy ankizy nilaza teny tsy fantatro tany am-pianarana androany. Nihomehy izy ireo rehefa niteny ilay izy,” hoy i Jonas. “Teny ratsy ny fahitako ilay izy.”

“Inona no tsapanao rehefa nahare ilay teny?” hoy i Neny nanontany.

“Tsy nampahazo aina ahy ilay izy.”

Nobitsibitsihin’i Jonas tamin’i Neny ilay teny. Nolazain’i Neny azy ny dikan’ilay izy. Marina ny voalazan’i Jonas. Tsy teny tsara ilay izy.

“Fa maninona izany no ratsy?” hoy izy nanontany.

“Ratsy izany satria maneho haratsiam-panahy sy tsy manaja olona. Rehefa mampiasa teny toy izany isika dia sarotra ho an’ny Fanahy Masina ny miaraka amintsika. Nilaza taminao ny Fanahy Masina fa ratsy ilay izy. Izay no nahatonga anao tsy nahazo aina tao anatinao.”

Niketrona i Jonas. “Fa ny ankizy hafa ohatran’ny nahazo fahafinaretana izany. Nahoana no izaho irery no nahatsapa ho tsy nahazo aina?”

“Ahoana no ahafantaranao fa tsy nanana fahatsapana toy izany ireo ankizy hafa?” Hoy i Neny nanontany.

“Satria nihomehy sy nitsiky izy rehetra rehefa nisy olona nilaza ilay teny.” Nahatsapa ho nisavorovoro saina i Jonas.

“Indraindray ny olona dia mihomehy na mitsiky rehefa mahatsapa ho tsy mahazo aina izy ireo,” hoy i Neny. “Ary indraindray rehefa mahare na milaza teny ratsy im-betsaka izy ireo dia tsy manelingelina azy ireo intsony izany. Kanefa mbola tsy mety foana ny hilazana ireny teny ireny. Mitovitovy amin’ireto ahi-dratsy ireto izany. Ongotako izany mba hadio foana ny zaridaina sy mba hamelàna ny zava-maniry tsara haniry.”

“Faly aho fa tsy nanonona ilay teny,” hoy i Jonas.

“Izaho koa,” hoy i Neny. “Reharehako ianao. Ary manana hevitra aho. Maninona isika raha manao voadin’ny mpianakavy?”

“Voady inona ohatra?” Hoy i Jonas nanontany.

“Andao hanao voady ny hampiasa teny tsara fa tsy teny ratsy. Azo atao dinam-pianakaviana izany.”

Tian’i Jonas izany hevitra izany. Nifandray tanana naneho ny fifanekena izy sy i Neny. Nampahazo aina an’i Jonas ny fampanantenana nataony niaraka tamin’i Neny.

“Dia ahoana amin’izay ny fampanantenana nomenao mba hanampy ahy hanongotra ireo ahi-dratsy?” Hoy i Neny nanontany. “Dia mampanantena anao aho fa hitondra anao any amin’ny toeram-pilalaovana.”

Nitsiky i Jonas dia naka angady kely. “Eny ary fa manaiky aho.”

Nahatsapa ho nahazo aina kokoa i Jonas rehefa nanampy an’i Neny. Fantany fa safidy tsara ho an’ny fianakavian’izy ireo ny fanaovana voady tsy hampiasa teny ratsy.

Sary nataon’i Dan Widdowson

Hamoaka printy