2022
Fantaro hoe iza no tia anao ry Ramatoa Banks!
Septambra/Ôktôbra 2022


Fantaro hoe iza no tia anao ry Ramatoa Banks!

Nanomboka tamin’ny voninkazo iray ny tantara …

Sary
old lady sitting outside her yellow house, holding flowers

Tia mijery ny trano rehetra eny amin’ny manodidina azy i Roxy rehefa mandeha an-tongotra mody avy any an-tsekoly. Ny trano iray dia nisy alika nivovo sy nitsambikimbikina teo amin’ny varavarankely. Ny trano iray hafa dia nisy voronkely nisiotsioka teny amin’ireo hazo.

Ary taorian’izay no nisy ny tranon-dRamatoa Banks. Mpampianatra azy tao amin’ny kilasy fahadimy Ramatoa Banks, ary izy no tian’i Roxy indrindra. Mikopa-tanana an-dRamatoa Banks foana i Roxy rehefa mahita azy mipetraka eo amin’ilay seza eo amin’ny fidirana amin’ny lavarangany. Tia mifandray aman’olona sy faly foana Ramato Banks.

Saingy tsy nisy olona teo amin’ilay seza teo an-davarangana androany. Toa nangingina ilay trano. Na i Chester sakan-dRamatoa Banks aza dia lasa koa.

Tadidin’i Roxy ny reniny nilaza hoe narary Ramatoa Banks. Nandeha nitsabo tena isan’andro tany amin’ny hôpitaly izy. Nalahelo i Roxy. Te hanao zavatra mahafinaritra ho an-dRamatoa Banks izy. Inona anefa?

Nierikerika i Roxy nijery ireo tantely nanidina nitety voninkazo. Dia nahita hevitra izy avy eo!

Nihazakazaka tany an-tranony i Roxy dia naka raozy iray teo amin’ny zaridainany. Niverina tany amin’ny tranon-dRamatoa Banks izy dia nametraka izany teo amin’ny fidirana teo amin’ny lavarangana.

Ny anpitson’io i Roxy dia nametraka tanamasoandro teo ambonin’ny sezan-dRamatoa Banks. Ary ny afaka ampitson’io dia nametraka margerity teo anoloan’ny varavarany. Nametraka voninkazo ho an-dRamatoa Banks isan’andro nandritra ny roa herinandro i Roxy. Nitandrina ery izy mba tsy hisy hahita.

Sary
girl hiding behind tree

Indray andro raha teny an-dalana nody i Roxy dia nahita an-dRamatoa Banks nipetraka teo amin’ny fidirana amin’ny lavarangany. Nihazona voninkazo maromaro teny an-tanany izy.

“Roxy,” hoy Ramatoa Banks, “jereo ireto voninkazoko tsara tarehy ireto. Nisy olona nametraka izany teto ho ahy. Isan’andro dia nisy voninkazo niandry ahy rehefa tonga tato an-trano avy any amin’ny hôpitaly aho.”

Nitsiky i Roxy. “Fantatrao ve hoe iza ilay olona?”

Namaly tamin’ny tsiky Ramatoa Banks. “Na iza ilay olona na iza, dia te hisaotra azy aho.”

“Tsy maintsy hoe olona tia anao angamba izany!” Hoy i Roxy.

“Tsy andriko mihitsy izay hahitana voninkazo vaovao isan’andro,” hoy Ramatoa Banks. “Teo amin’ny lavarangako ny voninkazo voalohany.”

“Ny sakanao ve no nametraka ilay izy teo raha ny fijerinao azy?” Hoy i Roxy nanontany.

“Tia manao zavatra tsy nampoizina ho ahy i Chester, saingy tsy mbola nametraka voninkazo mihitsy izy.” Nihomehy Ramatoa Banks. “Ary ahoana ilay voninkazo teto ambonin’ny sezako?”

“Ilay alika ery ampita ery ve?” Vao mainka i Roxy nitsiky be.

“Ilay teto anoloan’ny varavarako?”

“Écureuil ve?”

“Oay e!”, hoy Ramatoa Banks nihomehy. “Tsy fantatro hoe be dia be mihitsy ny zavaboary tia ahy! Fa ireo voninkazo aloha dia tena nanampy ahy hahatsapa tena ho olona niavaka.”

Efa saika ho diboky ny hafaliana mihitsy i Roxy. Faly izy fa nanampy mba hampitsiky an-dRamatoa Banks indray.

Sary nalaina tao amin’ny Adobe Stock

Hamoaka printy