2022
Nampanantena fampiononana antsika i Jesoa
Septambra/Ôktôbra 2022


Manampy toa an’i Jesoa

Nampanantena fampiononana antsika i Jesoa

Sary
Jesus sitting with disciples

Fantatr’i Jesoa Kristy fa hila fampiononana ireo mpianany taorian’ny nahafatesany. Noho izany dia nampianatra azy ireo momba ny Fanahy Masina Izy. Nampanantena Izy fa hampionona azy ireo sy hiaraka amin’izy ireo mandrakariva ny Fanahy Masina. Anarana iray fiantsoana ny Fanahy Masina ny hoe Mpampionona. Rehefa malahelo isika na matahotra, dia afaka manampy antsika ny Fanahy Masina mba hahatsiaro ny fitiavan’i Jesoa Kristy.

Sary
A photo of Brooklyn Dean

Nanome bodofotsy ho an’ny hôpitaly iray ho an’ny ankizy izaho sy ny neniko ary ny dadako. Nilaza ireo mpiasan’ny hôpitaly fa hanampy ireo ankizy tsy hatahotra intsony ireo bodofotsy. Faly aho fa hanampy ireo ankizy ho mirana sy hampifaly azy ireo ny bodofotsy nomenay. Nahatonga ahy ho faly ihany koa izany.

Brooklyn D., 9 taona, Texas, Etazonia

Hamoaka printy