Tantara ao amin’ny soratra masina
Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy i Isaia
Mpaminany i Isaia. Niaina talohan’ny nahaterahan’i Jesoa izy. Fantany anefa fa ho avy i Jesoa.
Nilaza i Isaia fa teraka amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy i Jesoa. Hanampy sy hanasitrana ny hafa i Jesoa.
Nilaza ihany koa i Isaia fa ho tonga ety an-tany i Jesoa. Ho antsoina hoe ny Andrian’ny Fiadanana Izy. Hanolotra ny ainy ho antsika Izy satria tena tiany tokoa isika.
Tena nitranga ny zavatra nampianarin’i Isaia. Taona maro taty aoriana dia tonga tety an-tany i Jesoa. Nasehony antsika ny lalana. Maty Izy dia velona indray. Velona Izy amin’izao fotoana izao!
Afaka mianatra momba an’i Jesoa Kristy aho. Rehefa mahatsiaro ny zavatra nataony ho ahy aho dia afaka mahatsapa fiadanana sy fanantenana!