2022
Maneho ny fiarahabana avy aty Mexique!
Septambra/Ôktôbra 2022


Maneho ny fiarahabana avy aty Mexique!

Miaraha amin’i Margo sy i Paolo eo am-pitetezan’izy ireo an’izao tontolo izao mba hahafantarana momba ireo zanak’ Andriamanitra.

Firenena iray ao Amerika Avaratra i Mexique. Eo ho eo amin’ny 126 tapitrisa ny isan’ny olona ao aminy.

Ody ambavafo matsiro

Sary
chips and guacamole dip

Ny “Guacamole” dia saosy vita amin’ny zavoka. Hanin’ny olona amin’ny Tacos, na amin’ny salady, na miaraka amin’ny sipsa vita amin’ny katsaka izany. ¡Delicioso!

Miaraka mivory

Sary
Church building in Mexico

Trano Fiangonana ao Mexique ity. Manana mpikamban’ny Fiangonana efa ho 1,5 tapitrisa i Mexique, ny faharoa amin’ny betsaka indrindra amin’ny firenena maneran-tany!

Baile Folklórico (Vakodrazana)

Sary
girl wearing brightly colored dress

Maro amin’ny faritra ao Mexique no manana ny karazana hira sy dihy ary fomba fitafy mampiavaka azy manokana. Ity zazavavy ity dia manao fitafin-drazana avy ao Chiapas.

Kolontsaina fahiny

Sary
Mexico - Mayan Pyramid

Ahitana trano maro namboarin’ny olona fahiny ao Mexique. Isan-taona dia olona an-tapitrisany no mitsidika ity Piramida Maya any Chichen Itza ao amin’ny faritanin’i Yucatán ity.

Tempoly maro

Sary
boy standing outside temple in Mexico

Manana tempoly voatokana miisa 13 i Mexique, ary misy hafa ankoatra izany efa an-dalana. Nitsidika ny tempoly tany Veracruz ity zazalahy ity.

Sary
Page from the September/October 2022 Friend Magazine.

Sary nataon’i Katie McDee; sarina trano Fiangonana nalain’i Rachael Heslington

Hamoaka printy