2022
Manova zavatra ny zavatra kely
Septambra/Ôktôbra 2022


Nosoratanao

Manova zavatra ny zavatra kely!

Sary
boy smiling

“Izaho no fohy indrindra ao amin’ny kilasy misy ahy. Indraindray aho dia maniry ny mba ho lava tahaka ireo mpiara-mianatra amiko. Milaza amiko anefa ny reniko fa manan-danja kokoa noho ny halavana ny hasarobidiko, ary afaka manao zavatra maro aho na dia fohy noho ireo mpiara-mianatra amiko aza.

Rehefa misy zavatro very na rehefa matahotra aho dia hatsahatro ny zavatra ataoko ary mivavaka aho. Mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Manampy ireo zanaky ny mpiray tam-po amin’ny ray aman-dreniko sy ireo ankizy hafa hianatra matematika sy teny Anglisy ary ny fomba fanoratana lahatsoratra aho. Manampy amin’ny fanaovana raharaha aho. Mikarakara ireo biby fiompiko aho. Manao sary asa kanto sy manoratra taratasy ho an’ny misiônera aho. Rehefa mividy na mahazo zavatra vaovao aho dia zaraiko amin’ny hafa izany. Rehefa mahita olona sahirana eny an-dalana aho dia manome izay azoko omena, ary mivavaka ho azy ireo isan’andro aho.

Fony aho mbola kely dia nanomboka namaky tantara ho ahy i Neny. Mamaky tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo tantara ao amin’ny Baiboly ary ny gazetiboky Namana izahay. Amin’izao fotoana izao, na dia sivy taona aza aho, dia mbola mamaky tantara ho ahy foana izy. Tsy mahita tory aho raha tsy miara-mamaky tantara amiko i Neny. Fa amin’izao anefa dia izaho no mamaky tantara ho an’i Neny amin’ny alina sasantsasany mandra-patoriny.

Manao ireo zavatra tsotra ireo aho na dia fohy aza. Fantatro fa tia ny ankizy madinika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Fantatro fa tia ahy Izy ireo. Tiako ihany koa Izy ireo. Ny nofinofiko dia ny ho lasa misiônera mba hahafahako manao zavatra kely bebe kokoa mba hitondra fiovana lehibe.

Sary nataon’i Adam Koford

Hamoaka printy