2022
Tsy mitovy amin’ny hafa kanefa tsy irery
Septambra/Ôktôbra 2022


Tsy mitovy amin’ny hafa kanefa tsy irery

Indraindray dia nahatsapana ho irery ny naha-hany mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
boy talking to girl in class

Brrrrring! Naneno ny lakolosy fanairana hidirana amin’ny kilasy farany tao anatin’ny tontolo andro. Noho i Megan tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra tamin’izay dia nanatrika kilasy maro samihafa izy nandritra ny tontolo andro. Ary maro be ny zavatra tokony nianarana. Faly i Megan fa fotoana hanaovana fandalinana ny kilasiny farany. Nidika izany fa afaka nanomboka ny enti-modiny izy.

Nipetraka teo amin’ny latabatra iray tsy nisy olona i Megan. Nandeha nanatona azy ny ankizilahy iray nantsoina hoe Bennett.

“Megan a! Môrmôna moa ianao e?”

“Mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho,” hoy i Megan.

“Dia mihevitra izany ianao fa i Joseph Smith no nanoratra ny Bokin’i Môrmôna na ny ohatr’izany, sa tsy izany?” Hoy i Bennett nanontany.

Nanao vavaka fohy tamim-pahanginana i Megan mba hahafantarany ny fomba hamaliana izany. “Nandika ny Bokin’i Môrmôna izy,” hoy izy. “Niantso azy ho mpaminany Andriamanitra mba hanampy tamin’ny famerenana indray ny Fiangonan’i Kristy.”

Nampiketrona ny orony i Bennett. “Tsy misy dikany koa izany,” hoy izy. Nihomehy izy dia lasa.

Tsapan’i Megan ho nafana ny tarehiny. Niondrika nibanjina ny bokiny izy.

“Manahoana Megan.”

Fa misy inona? Nitraka i Megan. “Ah! “Manahoana i Taj.”

“Miala tsiny tamin’ny nataon’i Bennett,” hoy i Taj. Nipetraka teo am-pitany izy. “Toa manan-danja aminao ny zavatra nolazainao teo.”

“Misaotra,” hoy i Megan. “Izany mihitsy!”

“Fantatro ny zavatra tsapanao,” hoy i Taj. “Izaho irery no Hindoa ato am-pianarana. Mafy rehefa tsy miezaka ny hahatakatra ny zavatra inoanao ny olona.”

Indraindray i Megan dia nahatsapa ho irery satria izy irery no mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny sekolin’izy ireo. Saingy tsy mba nieritreritra mihitsy izy hoe misy ankizy hafa mety manana fahatsapana toy izany koa.

“Milaza ny ray aman-dreniko fa rehefa ratsy fanahy ny olona iray dia satria tsy mahatsapa ho faly izy ao anatiny ao,” hoy i Megan. Nanodinkodina pensilihazo teo amin’ny rantsan-tanany izy. “Manontany tena aho raha toa ka malahelo i Bennett. Na mahatsapa ho irery.”

Niaiky tamin’ny lohany i Taj. “Mino aho fa marina izany lazainao izany.” Mety mila namana izy angamba.”

Nitsiky i Megan. “Mety mila namana roa izy angamba.”

Ny ampitson’io nandritra ny fotoana fandalinana, dia nahita an’i Bennett nipetraka irery teo amin’ny latabatra iray i Megan sy i Taj.

“Manahoana i Bennett,” hoy i Taj.

Toa gaga i Bennett. “Manahoana!”

“Mianatra inona izao ianao?” Hoy i Megan nanontany sady nipetraka tamin’ny seza.

“Tantara.”

“Hiomanana amin’ilay fanadinana rahampitso ve?” “Nipetraka ihany koa i Taj.

“Eny,” hoy i Bennett.

“Betsaka loatra ny zavatra tokony hotadidiana,” hoy i Taj. Nanaiky tamin’ny lohany i Bennett.

“Afaka mifanadina angamba isika.” Nosokafan’i Megan ny boky tantarany. Nifandimby nametraka fanontaniana sy namaly fanontaniana izy ireo mandra-panenon’ny lakolosy fanairana.

Sary
three kids talking in class

“Megan a!, miala tsiny aho tamin’ilay omaly,” hoy i Bennett rehefa nitsangana mba handeha izy ireo. “Nahare zavatra vitsivitsy momba ny fiangonanareo aho dia lian-kahafantatra.” Nivezivezy nandroso nihemotra tamin’ny tongony izy. “Mino zavatra hafa aho kanefa tokony ho tsara fanahy kokoa aho.”

Nitsiky i Megan. “Misaotra. “Manan-danja amiko ny fiangonako, saingy tsy maninona raha tsy mitovy ny zavatra inoantsika.”

“Hitako hoe mahavita miara-mianatra tsara anatina vondrona isika na dia tsy mitovy aza ny zavatra inoantsika,” hoy i Taj.

Nitsiky i Bennett. “Manaiky koa aho. Ary inoako fa hahay be isika amin’ilay fanadinana.”

Sary nataon’i Mark Robison

Hamoaka printy