2022
Nanovatra ny toe-draharaha i Margaret
Septambra/Ôktôbra 2022


Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay

Nanavotra ny toe-draharaha i Margaret

Nihanilentika ilay sambo! Inona no azon’i Margaret natao?

Sary
Margaret (12 years old) is on a ship during the mid-1800s. She is holding a white wool blanket and taking it to the captain of the ship for him to stuff in the holes in the side of the ship.

Nijoro teo amin’ny tokotanin-tsambo i Margaret dia nijery tamim-pitandremana tsara ny ranomasimbe manga manodidina azy. Natopatopan’ny onja goavana niakatra sy nidina ilay sambo.

Novarotan’ny fianakavian’i Margaret ny ankamaroan’ny fananan’izy ireo mba handehanana sambo mankany Etazonia. Haharitra enina herinandro ilay dia. Nalahelo i Margaret ny handao ny tranon’izy ireo tao Pays de Galles. Fa faly ny amin’ny tranony vaovao koa izy.

Volana vitsy talohan’izay dia nihaona tamin’ireo misiônera avy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fianakavian’i Margaret. Natao batisa i Margaret sy ny ray aman-dreniny. Ary tamin’izay izy ireo dia handeha hanatevin-daharana ny Olomasina tany Ziona.

Sarotra ny dia hatreto. Narary ny renin’i Margaret. Ary narary noho ny fiasana nandritra ny taona maro tany amin’ireo toeram-pitrandrahana arintany ny rainy. Ka dia nikarakara azy ireo i Margaret. Nikarakara ny zandriny lahy sy ny rahavaviny mbola zazakely koa izy. Asa be izany. Saingy tsy nitaraina i Margaret.

Indraindray dia nihozongozona be teo ambonin’ny rano ilay sambo ka nampaloiloy an’i Margaret. Nisy fotoana izy natahotra. Rehefa natahotra izy dia nakimpiny mafy ny masony ary nangataka fanampiana tamin’ny Ray any An-danitra izy.

Indray andro dia nahare olona niantsoantso mafy i Margaret. “Misy vaky amin’ny sambo! Mihamilentika isika!”

Nikoropaka ny rehetra. Nasain’ny kapiteny nitady siny ny rehetra. Naka rano tamin’ny siny ny olona ka nanary izany tany ivelan’ny sisin’ny sambo.

Te hanampy i Margaret. Nandohalika teo anilan’ny fandriany izy dia nivavaka mafy araka izay azony natao. “Miangavy aho Ray any An-danitra ô, ampio aho hieritreritra fomba azoko hanampiana.”

Sary
A young woman named Margaret smiles as she folds her hands in prayer.

Nisy fahatsapana fiadanana nameno ny fon’i Margaret. Fantany fa niahy azy ny Ray any An-danitra. Hanampy azy ireo Izy.

Avy eo dia nahita hevitra izy.

Nisintona bodofotsy fotsy vita tamin’ny volon’ondry avy teo amin’ny fandriany izy dia nihazakazaka nitady ny kapiteny. “Inty,” hoy izy. “Atsofohy eo amin’ilay lavaka ireto hanakanana ny rano tsy hiditra.”

Tian’ilay kapiteny ny hevitr’i Margaret. Natsentsiny an’ilay lavaka ireo bodofosy. Ary avy eo dia norarahany tara mahamay iray siny lehibe teo amin’izany. Rehefa nangatsiaka ny tara dia tampina ilay faritra vaky!

“Misaotra betsaka nahafoy ny bodofotsinao,” hoy ilay kapiteny. “Nanavotra ny toe-draharaha ny hakingam-pisainanao.”

Nitsiky i Margaret. Fantany fa namaly ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra. Vao nanomboka mihitsy ny diany tamin’ny naha-mpamaky lay azy, ary fantany fa hanampy azy amin’ny dingana rehetra ataony eny an-dalana Izy.

Tonga tany Pays de Galles tamin’ny 1840 ny misiônera voalohany.

Tanàna kely iray ao Pays de Galles no manana ny anaran-tanàna lava indrindra eto ambonin’ny tany.

Ny ondry no betsaka noho ny olona any Pays de Galles!

11 taona i Margaret Griffiths tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy.

Nanambady i Margaret rehefa lehibe ary nanan-janaka valo izy.

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana nandritra ny 26 taona izy.

Hamoaka printy