2022
Eo foana Izy
Septambra/Ôktôbra 2022


Afaka mitendry izany aho

Eo foana Izy

Feno fanantenana [naoty mainty]=72

Sary
sheet music
Sary
sheet music

1. Manirery ve ianao

fa fiakaram-be mideza

’ty miandry anao?

Malahelo ve ianao

fa toa maro be izao

’reto olanao?

’Njay ’lay feo malefaka ao am-po manao hoe:

Fiverenan-kira: Eo foana Izy, ho mpandresy ho an’ny ory.

Eo ’Lay Ray, mandre ny vavakao,

mampahery anao tokoa,

ary mandray anao koa.

Tsy irery ianao, fa Izy dia eo foana.

2. Moa ve saininao ny hoe

mba ahoana hoy ny Ray

raha mijery anao?

Tena tretrika izaitsizy

vao mahita anao re Izy,

tena tiany ianao!

Koa henoy ilay feo ao am-po manao hoe:

Fiverenan-kira: Eo foana Izy, mpandresy amin’ny ady mafy.

Eo ’Lay Ray, mahita anao mivoatra,

miahy sy mikarakara,

manampy anao hanao ny tsara.

Tsy irery ianao, fa Izy dia eo foana.

Ka mivoara, miezaha,

mianàra, mivavaha,

fa tiany ianao ary Izy dia eo foana.

Hamoaka printy