2023
Ilaina ny mpampihavana
Mey 2023


Ilaina ny mpampihavana

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho ohatra tsara eo amin’ny fomba fifandraisana amin’ny hafa isika, indrindra rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra. Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa. …

… Ny mpianany marina dia olona manatsara toetra, mampitraka, mankahery, mandresy lahatra ary manentana ny fanahy, na sarotra toy ny inona ny toe-javatra misy. Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia mpampihavana. …

Nanao izay ahafahantsika mandresy ny ratsy rehetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ka tafiditra ao anatin’izany ny fifandirana. …

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena manan-danja ny fomba fifampitondrantsika! Tena manan-danja ny fomba firesantsika amin’ny hafa sy momba ny hafa any an-tokantrano, any am-piangonana, sy any am-piasana ary ao amin’ny tambajotran-tserasera. Androany dia mangataka antsika aho mba hifandray amin’ny hafa amin’ny fomba ambony kokoa sy masina kokoa. …

Ny fiantrana no fanefitry ny fifandirana. Ny fiantrana dia fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay manampy antsika handroaka ilay olona araka ny nofo izay tia tena, miaro tena, mieboebo ary be fialonana. Ny fiantrana no toetra fototra ananan’ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. Ny fiantrana no mamaritra ny mpampihavana iray. …

… Manasa anareo aho mba hahatsiaro an’i Jesoa Kristy. Mivavaha mba hanana ny herimpo sy ny fahendrena hilaza na hanao izay ho nataony. Rehefa manaraka ilay Andrian’ny Fiadanana isika dia ho lasa mpampihavana. …

… Androany aho dia manasa anao mba handinika ny maha-mpianatra anao ao anatin’ny sahan-kevitry ny fomba fitondranao ny hafa. Mitsodrano anareo aho mba hanao izay fanovana mety ilaina atao mba hahatonga ny fitondrantenanareo ho mendrika, feno fanajana, ary maneho an’ilay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy