2023
Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana
Mey 2023


Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Amin’ny maha mpianatr’ilay Andrian’ny Fiadanana antsika, dia nomena toromarika isika mba hiaina amin’ny “[fo] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana [amintsika samy isika].” [Môzià 18:21]. …

… Iray amin’ireo famantarana miharihary indrindra fa manakaiky kokoa ny Mpamonjy isika sy lasa tahaka Azy kokoa, dia ny fomba feno fitiavana sy faharetana ary hatsaram-panahy izay itondrantsika ny mpiara-belona amintsika, na inona na inona toe-javatra misy. …

… Tsy mahagaga raha iray amin’ireo paik’ady ataon’ny fahavalo ny mamporisika ny fandrafiana sy ny fankahalana ao am-pon’ireo zanak’ Andriamanitra. Faly izy rehefa mahita olona mifampitsikera sy mifaneso ary mifanaratsy. …

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, rehefa miezaka mampivoatra ny toetra tahaka ny an’ny Mpamonjy isika dia afaka ny ho tonga fitaovana hitondra ny fiadanany eto amin’izao tontolo izao araka ny lamina izay Izy mihitsy no nanorina azy. Manasa anareo aho handinika ireo fomba ahafahantsika manova ny tenantsika ho olona mankahery sy manohana, olona izay manana fo mahatakatra sy mamela heloka, olona mijery ny tsara indrindra amin’ny hafa, ka hahatsiaro mandrakariva fa “raha misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.” [Fanekem-pinoana 1:13].

Mampanantena anareo aho fa rehefa mikatsaka sy mampivelatra ireo toetra ireo isika, dia ho lasa sariaka sy mora mahatsapa kokoa hatrany ny amin’ny filan’ny mpiara-belona amintsika ary hiaina fifaliana, sy fiadanana, ary fitomboana ara-panahy.

Hamoaka printy