2023
Tsarovy izay zavatra manan-danja indrindra
Mey 2023


Tsarovy izay zavatra manan-danja indrindra

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Androany aho dia hizara avy ao am-poko fahatsapana sy eritreritra vitsivitsy mahakasika ny zavatra manan-danja indrindra.

Voalohany, ny fifandraisana amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy Tompo, no zava-dehibe indrindra. Io fifandraisana io dia manan-danja ankehitriny ary any amin’ny mandrakizay.

Faharoa, anisan’ny zavatra manan-danja indrindra ny fifandraisan’ny fianakaviana. …

Manaiky aho fa ny sasany dia mety tsy manana fianakaviana akaiky, hany ka ampidiriko ho toy ny “fianakaviana” ny havana, ny namana, eny fa na dia ny fianakaviana amin’ny maha-iray paroasy aza. Ireo fifandraisana ireo dia tena ilaina amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-batana. …

Zavatra iray hafa manan-danja indrindra koa ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy ao amin’ireo fifandraisantsika manan-danja indrindra ary ao amin’ny ezaka ataontsika mba hitiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, tafiditra ao anatin’izany ny asa fanompoana ataontsika manokana sy ampahibemaso. …

Farany, amin’izao faran’ny herinandro izay Alahadin’ny Sampan-kazo izao dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny fiovam-po ho an’ny Tompo sy ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy ary ny fanompoana Azy dia anisan’ireo zavatra manan-danja indrindra. …

Tsy ampy ny fananana fijoroana ho vavolombelona fotsiny ihany. Rehefa mitombo ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy dia te hijoro ho vavolombelona ho azy momba Azy isika, momba ny hatsarany sy ny fitiavany ary ny hatsaram-panahiny. …

Manasa anareo aho mba hijoro ho vavolombelona matetika kokoa momba an’i Jesoa Kristy. …

Avy eo ireo izay mahatsapa zavatra vokatry ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia afaka mangataka amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka mba hanamarina ny fahamarinan’ny fijoroana ho vavolombelona nozarainao. Aorian’izany dia afaka ny hahafantatra ho an’ny tenan’izy ireo manokana izy ireo.

Hamoaka printy