2023
Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana
Mey 2023


Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Talohan’ny nahariana ny tany dia nametraka fanekempihavanana Andriamanitra mba ho ny rafitra hahafahantsika, zanany, mampiray ny tenantsika Aminy. …

… Tsy manao fanekempihavanana isika raha tsy mikasa ny hanolotena marina sy amin’ny fomba tena matotra ny hanatanteraka izany. Lasa zanak’ Andriamanitra ao amin’ny fanekempihavanana sy mpandova ny fanjakany isika, indrindra rehefa mametraka tanteraka ilay fanekempihavanana ho ivon’ny fiainantsika.

Ny teny hoe lalan’ny fanekempihavanana dia hoentina hilazana andiana fanekempihavanana izay ahafahantsika manatona an’i Kristy sy mifandray Aminy. Mahazo ny heriny mandrakizay isika, amin’ny alalan’io fifamatorana ara-panekempihavanana io. Ilay lalana dia manomboka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana, arahan’ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina. …

Ny lalan’ny fanekempihavanana dia mitarika ho amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly, toy ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Ny fanafiana masina dia fanomezan’ Andriamanitra ireo fanekempihavanana masina izay mampifandray antsika feno kokoa Aminy. …

Ny fitandremana ny fanekempihavanana natao tao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly dia manome antsika ihany koa tanjaka hanoherana ireo fisedrana sy ratram-po hoentin’ny fiainana an-tany. …

Rehefa mandia ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, manomboka amin’ny batisa ka hatrany amin’ny tempoly ary mandritra ny fiainanao, dia mampanantena anao hery hanoherana ny fironan’izao tontolo izao izay manosika anao aho—hery hianarana, hery hibebahana ka hohamasinina, ary hery hahitana fanantenana, fiononana, ary indrindra fifaliana rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana ianao. Mampanantena anao sy ny fianakavianao fiarovana amin’ny fitaoman’ny fahavalo aho, indrindra indrindra rehefa ataonareo ho zavatra lehibe ifantohana eo amin’ny fiainanareo ny tempoly.

Hamoaka printy