2023
I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny
Mey 2023


I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Tsy misy hafa amin’ny hoe i Jesoa Kristy no herin’ireo zatovo, dia i Jesoa Kristy koa no herin’ireo ray aman-dreny. …

Ny fitiavan’ny ray na reny ny zanaka anankiray no anisan’ny hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Izany no anisan’ireo zavatra vitsy eto an-tany izay tena afaka ny ho mandrakizay. …

Ny hery iray hafa anananareo, amin’ny maha ray na reny anareo, dia ny fahafahana mampihatra fitaomana mitohy isan’andro. …

Fomba iray hafa mahery vaika hanohanan’ny Tompo ireo ray aman-dreny ny fanomezana tsy misy toa azy ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Andriamanitra dia maniry mafy ny handrotsaka ny Fanahiny hitarihana ireo ray aman-dreny. …

Angamba ny fanampiana manan-danja indrindra atolotr’i Jesoa Kristy ho an’ireo ray aman-dreny dia ny “fiovam-po mahery vaika”. Fahagagana ilaintsika tsirairay izany. …

… Noho ny fahasoavan’ny Mpamonjy, dia hanana tsikelikely an’ireo toetra ilain’ny ray aman-dreny ianareo: fitiavana an’ Andriamanitra sy ireo zanany, faharetana, fandavantena, finoana an’i Kristy, ary herim-po hanaovana safidy tsara. …

Ny ezaka ataontsika hanorenana finoana an’i Jesoa Kristy dia miainga ao an-tokantrano, mifantoka amin’ny tsirairay. Ary tohanan’ny Fiangonana. Ankoatra ny fanomezana soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, dia manolotra loharano maro ny Fiangonan’ny Mpamonjy hanampiana ireo ray aman-dreny sy zanaka hanao safidy tsara. …

Ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia natao ho mandrakizay ireo fifandraisan’ny mpianakavy. Izay no antony tsy hilavoanao lefona mihitsy, amin’ny maha ray aman-dreny anao, na dia tsy mampirehareha anao aza ny fandehan-javatra tany aloha.

Raha miaraka amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanasitrana Lehibe sy Mpamonjy, dia afaka misy fiantombohana vaovao hatrany. Manome fanantenana hatrany Izy.

I Jesoa Kristy no herin’ireo fianakaviana[,] zatovo[, ary] ray aman-dreny.

Hamoaka printy