2023
Fantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha Kristianina ahy?
Mey 2023


Fantatrao ve ny antony inoako an’i Kristy amin’ny maha Kristianina ahy?

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Indray hariva avy niasa, taona maro lasa izay, dia nitaingina ny fiara fitateram-bahoaka fandehanako rehefa mandeha mody any New Jersey avy any New York City aho. Tsikaritr’ilay vehivavy nipetraka teo akaikiko ny zavatra nosoratako tao amin’ny solosaiko dia nanontany izy hoe: “Mino an’i … Kristy ianao?” …

… Ry ankizy sy zatovo: Mba anontanio ny ray aman-dreninareo na ny mpitarika anareo rehefa afaka kelikely hoe: “Nahoana i Jesoa no tsy maintsy maty”. …

Dia nampahafantatra ilay namako vaovao aho fa manana fanahy isika ankoatra ny vatana ary Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika. … Noho ny fitiavany azy sy ny zanany rehetra, dia nanao drafitra ho antsika Izy mba hahazoantsika vatana araka ny endriky ny vatany feno voninahitra, mba ho ao anatina fianakaviana, ary mba hiverina ho eo anatrehany feno fitiavana mba hianoka ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika tahaka izay ataony miaraka amin’ny Azy. Kanefa, hoy aho, hiatrika sakana lehibe roa isika eto amin’ity tontolo nilaina ho lavo ity: (1) ny fahafatesana ara-batana: ny fisarahan’ny vatantsika amin’ny fanahintsika. … Ary (2) ny fahafatesana ara-panahy: ny fisarahantsika amin’Andriamanitra noho ny fahotantsika, ny fahadisoantsika, ary ny fahalementsika amin’ny maha mety maty antsika dia manalavitra antsika amin’ny fanatrehany masina. …

Nijoro ho vavolombelona tamin’ilay namako aho, ary mijoro ho vavolombelona aminareo, fa i Jesoa Kristy [no] Mpamonjy …, fa tsy maintsy nijaly, maty, ary nitsangana indray Izy, ilay Sorompanavotany tsy manam-petra, mba hanavotana ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ara-batana sy hanome ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra sy ny fianakaviantsika ho an’ireo rehetra izay hanara-dia Azy. …

Ireo dingana nambaran’Andriamanitra fa tsy maintsy ataontsika mba hanarahana an’i Jesoa sy hahazoana ny fiainana mandrakizay dia antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy. Tafiditra ao anatin’izany “ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny batisa [hidirana ho mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany], ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany” [Torio ny Filazantsarako (2019), 63].

Hamoaka printy