2023
Ny tantaran’ny Paska lehibe indrindra notantaraina hatramin’izay
Mey 2023


Ny tantaran’ny Paska lehibe indrindra notantaraina hatramin’izay

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Ahoana no fomba hampitoviantsika ny fampianarana sy ny fankalazana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ny tantaran’ny Paska, amin’ny fifandanjana sy fahafenoana ary fomba fanao ara-pivavahana mitovy, amin’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, ilay tantaran’ny Krismasy? …

… Ankoatra ireo andininy manan-danja momba ny Paska ao amin’ny Testamenta Vaovao, isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia nomena fanomezana tena miavaka amin’ny Paska! … Mazava ho azy fa ny Bokin’i Môrmôna no resahiko, ary indrindra indrindra, ny tantaran’i Jesoa Kristy niseho tamin’ny mponina tao amin’ilay Tontolo Vaovao tao anatin’ny voninahiny nitsangana tamin’ny maty. …

… Manantena izahay ny hanao ireo toko ao amin’ny 3 Nefia ireo ho ampahany tokoa amin’ny fomba amam-panaonay amin’ny Paska tahaka ny Lioka 2 amin’ny fomba amam-panaonay amin’ny Krismasy. Raha ny marina, ny Bokin’i Môrmôna dia mizara ny tantaran’ny Paska lehibe indrindra notantaraina hatramin’izay. Aoka tsy ho ny tantaran’ny Paska lehibe indrindra tsy notantaraina izany.

Manasa anareo aho mba hijery ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fahazavana vaovao sy handinika ny fijoroana ho vavolombelona lalina ananany momba ny fisian’i Kristy nitsangana tamin’ny maty ary koa ny harena fonosin’ny fotopampianaran’i Kristy sy ny halalin’izany. …

Ny fitsidihany amin’ny maha-Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty Azy, izay nampahafantarin’ Andriamanitra Ray, dia hafatra momba ny Paska be voninahitra sy feno fandresena. Izany dia hanampy ny fianakaviantsika hahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy, izay nanapaka ny famatoran’ny fahafatesana.

Hamoaka printy