2023
Hosana ho an’ Andriamanitra Avo Indrindra
Mey 2023


Hosana ho an’ Andriamanitra Avo Indrindra

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Efa ho 2000 taona lasa izay no nanamarika ny fiandohan’ny herinandro farany tamin’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany ny Alahadin’ny Sampan-kazo. …

… Ny fidiran’i Jesoa Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema sy ireo zava-nitranga tamin’ny herinandro nanaraka izany dia maneho fotopampianarana azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny. …

Voalohany, faminaniana. …

Faharoa, ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. …

Fahatelo, ny maha-mpianatra. …

Fahefatra, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Tamin’io herinandro farany tamin’ny asa fanompoany teto an-tany io dia nanome ny fanoharana momba ny virijiny folo i Jesoa Kristy. … Nampiasainy ny sarin’ny jiro narehitra sy nirehitra, niaraka tamin’ny solika fanampiny mba handrehitra ny lelafo, ho fanoritsoritana ny fahavononana hiaina ny lalany sy hanaiky ny fahamarinany ary hizara ny fahazavany. …

Isika, tahaka ireo virijiny folo, dia manana jiro; fa manana solika ve isika? Manahy aho fa misy ny sasany izay mionona fotsiny amin’ny solika manify, be atao loatra amin’ny faneren’izao tontolo izao ka tsy miomana araka ny tokony ho izy. Ny solika dia avy amin’ny finoana sy ny fanatanterahana ny faminaniana sy ny tenin’ireo mpaminany velona, indrindra ny Filoha Nelson, sy ireo mpanolotsainy ary ireo Apôstôly Roambinifolo. Mameno ny fanahintsika ny solika rehefa mandre sy mahatsapa ny Fanahy Masina isika ary miasa araka izany fitarihana masina izany. Mirotsaka ao am-pontsika ny solika rehefa mampiseho fa tia ny Tompo isika ary tia izay tiany. Ny solika dia avy amin’ny fibebahana sy ny fikatsahana ny fanasitranan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy