2023
“Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko”
Mey 2023


“Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko”

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

“Hoy ny Tompo tamin’i Enoka: …

Tomoera ato Amiko ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko” [Mosesy 6:32, 34; nampiana fanamafisana]. …

Manolotra fanasana ho antsika tsirairay i Jesoa Kristy Tompo mba hitoetra ao Aminy. Saingy ahoana no fomba tena hianarantsika hitoetra ao Aminy sy ho lasa tena mitoetra ao Aminy?

Ny teny hoe mitoetra dia midika hoe mijanona mifikitra na tsy mihozongozona sy maharitra ka tsy milefitra. … Noho izany dia mitoetra ao amin’i Kristy isika rehefa miorina mafy sy tsy azo hozongozonina amin’ny fanoloran-tenantsika amin’ilay Mpanavotra sy ireo tanjony masina, na amin-karatsiana na amin-kasoavana.

Manomboka mitoetra ao amin’ny Tompo isika rehefa mampiasa ny fahafaha-misafidintsika mba hitondra ny ziogany amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. …

Mitoetra ao Aminy isika rehefa tena mivoky amin’ny tenin’i Kristy. …

Mitoetra ao Aminy isika amin’ny alalan’ny fiomanana amim-pahamatorana ny handray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. …

Roa sosona ny fampanantenan’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mpanara-dia Azy: Raha mitoetra ao Aminy isika dia hitoetra ao amintsika Izy. Saingy azon’i Kristy atao tsara tokoa ve ny mitoetra ao amiko sy ianao—manokana? Eny ary tena Eny no valin’izany fanontaniana izany! …

… Ilay fifandraisana entin’ny fanekempihavanana eo amintsika sy ny Ray any An-danitra sy ny Zanany izay velona sy nitsangana tamin’ny maty no loharano faratampon’ny fananana fijery tsara, fanantenana, hery, fiadanana ary fifaliana maharitra …

… Ary mijoro ho vavolombelona aho fa marina ny fampanantenan’ny Mpamonjy hitoetra ao amintsika ary mihatra amin’ny mpikambana tsirairay izay mpitandrina ny fanekempihavanana ato amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny izany. …

… Raha mitoetra ao Aminy isika, dia hitoetra ao amintsika Izy.

Hamoaka printy