2023
Nifantoka tamin’izany eritreritra momba an’i Jesoa Kristy izany ny saiko
Mey 2023


Fivoriana alahady maraina

Nifantoka tamin’izany eritreritra momba an’i Jesoa Kristy izany ny saiko

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Misy tantara iray miavaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mitantara momba ny tovolahy iray antsoina hoe Almà izay avy amin’ny fianakaviana malaza, ka faritan’ny soratra masina ho tsy mpino sy mpanompo sampy izy. …

Tao anatin’ny famoizam-pony lalina izy dia nahatsiaro ho nampianarina tamin’ny fahatanorany momba “ny fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.” [Almà 36:17]. … Rehefa nitalaho ny hery masin’ny Mpamonjy izy dia nisy zava-mahagaga nitranga. … Vetivety teo dia nahatsapa fiadanana sy fahazavana izy. …

“Nifantoka” tamin’ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy i Almà. …

… Rehefa nampihatra finoana teo anatrehan’izany fahamarinana izany izy, ary tamin’ny alalan’ny hery sy ny famindrampon’ Andriamanitra, dia voavonjy tamin’ny famoizam-po sy heniky ny fanantenana izy.

Ny saintsika koa dia “nifantoka tamin’izany eritreritra” momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona feno famindrampo nataony izany, ary nahatsapa ny fahazavana sy ny fifaliana izay nanaraka izany ny fanahintsika. …

Ny fitiavantsika Azy dia tsy manakana antsika tsy hiaina alahelo sy fahorian-tsaina eto amin’ity fiainana an-tany ity, fa manome fahafahana antsika hamakivaky ireo olana miaraka amin’ny hery mihoatra lavitra noho ny antsika izany. …

Rehefa ampifantohana amin’i Jesoa Kristy ny saintsika, dia hitantsika amin’ny alalan’ny fitiavantsika Azy ny zavatra hafa rehetra manodidina antsika, izay eo foana ihany. … Rehefa manohy mifantoka tsara amin’io eritreritra momba an’i Jesoa Kristy io ianareo, ary matoky Azy sy mitandrina ny didiny, dia mampanantena anareo aho fa tsy vitan’ny hoe fitarihana avy any an-danitra fotsiny no azonareo fa omena hery avy any an-danitra koa, hery izay manome tanjaka ny fanekempihavananareo, sy fiadanana amin’ny fahasahirananareo ary fifaliana amin’ny fitahiana azonareo.

Hamoaka printy