2023
Fanompoana
Mey 2023


Fanompoana

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia mikatsaka ny hanompo ny hafa tahaka ny ataony isika satria misy fiainana miandry hovaina. …

Na aiza na aiza alehako dia maha-feno fankasitrahana ahy ny mandray vaovao avy amin’ireo izay manompo sy mikarakara tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy. …

Tonga ny fanompoana amin’ny fomba avo sy masina kokoa rehefa mivavaka isika mba hanana ny “fitiavana madion’i Kristy” [jereo ny Môrônia 7:47–48] sy manaraka ny Fanahy. …

… Sehatra maro no azontsika hanampiana sy hanehoana fahatakarana ny hafa amin’izay manjo azy ary hanorenantsika fifandraisana rehefa mamangy tsy tapaka ireo mpikambana any an-tokantranony isika. Manova fiainana ny fanasana entanim-panahy. Rehefa ny fanasana no manampy antsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina dia manakaiky kokoa ny Tompo sy mifanatona kokoa isika. …

Mitahy ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona ny fanompoana entanim-panahy; manamafy orina ireo paroasy sy sampana ihany koa izany. …

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika. Koa satria Izy dia tsara dia afaka mandehandeha manao soa Izy. Mitahy ilay iray sy ny 99 Izy. Hita miharihary amin’ny zavatra rehetra ataony ny finiavany hanompo. …

Manompo i Jesoa Kristy. Manompo ny anjely. … Rehefa manompo araka izay ho nataony isika dia afaka mahita ireo fahagagany sy ireo fitahiany. …

Na aiza na aiza misy antsika amin’izao vanim-potoana Paska izao dia handeha isika hanampy sy hikarakara tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjitsika, indrindra amin’ireo izay tombontsoa lehibe ho antsika ny mitia sy nanendrena antsika mba hanompo azy. Rehefa manao izany isika dia enganie isika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy hifanakaiky kokoa amin’isika samy isika, lasa tahaka Azy kokoa ary lasa ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tiany hahatongavantsika tsirairay.

Hamoaka printy