2023
Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy
Mey 2023


Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Araka ny nampianarin’i Nefia mpaminany antsika, dia tokony “hivoky amin’ny tenin’i Kristy [isika]; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”1 … Ny hafatro anio dia voarafitra avy amin’ny tenin’ny Mpamonjintsika izay nofantenana, dia ny zavatra nolazainy izany. …

“[Ny didy lehibe ao amin’ny lalàna dia ny hoe:] tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”2 …

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, tsy maintsy miambina sy mivavaka mandrakariva ianareo, fandrao dia halain’ny devoly fanahy ary hoentiny ho babo.”3 …

“Koa, na inona na inona hataonareo, dia hataonareo amin’ny anarako izany; koa, hantsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana.”4 …

“Ankehitriny dia izao no didy: Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany.”5 …

Mino an’i Kristy isika. Ny hamaranako azy dia ny zavatra nolazainy momba ny fomba tokony hahafantarantsika sy hanarahantsika ireo fampianarany:

“Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.”6

Hamoaka printy