2023
Tsodranon’ny Patriarika
Mey 2023


Tsodranon’ny patriarika

Sary
zatovolahy

Équateur

Ny tsodranonao avy amin’ny patriarika, fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra

Loholona Randall K. Bennett

Ao amin’ny Fitopololahy

Nisy lanjany lehibe ho ahy ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika noraisiko fony aho tanora noho ny antony maro. Voalohany, tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia nanampy ahy hahatakatra ny tena maha-izy ahy mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika, ny hoe iza tokoa aho taloha ary afaka ny ho lasa toa an’iza. … Fantatro fa ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjiko dia nahafantatra sy nitia ahy ary nandray anjara manokana tamin’ny fiainako Izy ireo. Nanampy ahy haniry hanakaiky kokoa Azy ireo sy hampitombo ny finoako sy ny fahatokiako Azy Ireo. …

Ny fahafantarako hoe iza marina aho dia nanampy ahy hahatakatra sy haniry ny hanao izay zavatra andrasan’ Andriamanitra amiko.

Nitarika ahy handalina ireo fanekempihavanana izay nataoko sy ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama izany. Nanome ahy fomba fijery mandrakizay izay nitaona ahy hitandrina bebe kokoa ireo fanekempihavanako izany. …

Zava-dehibe tamiko ny nandray ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika fony aho mbola tanora ary raha mbola teo an-dalam-pitomboana ny fijoroana ho vavolombelona nananako. …

… Ny fankamamiana ny tsodranoko avy tamin’ny patriarika dieny mbola tanora dia nanome ahy herim-po rehefa kivy, fampiononana rehefa feno tahotra, fiadanana rehefa nahatsapa ho nitebiteby, fanantenana rehefa nahatsapa ho tsy nanan-kantenaina, ary fifaliana tamin’ny fotoana nilako izany indrindra. Nanampy ahy hampitombo ny finoako sy ny fahatokiako ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjy ahy ny tsodrano azoko tamin’ny patriarika. Nampitombo ny fitiavako Azy ireo koa izany—ary mbola mampitombo hatrany.

Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika

Loholona Kazuhiko Yamashita

Ao amin’ny Fitopololahy

Ry zatovolahy, zatovovavy, ray aman-dreny ary eveka malalako, ny tsodranon’ny patriarika dia tsy natao ho fiomanana hanao asa fitoriana fotsiny. Ireo mpikambana vita batisa mendrika dia afaka mahazo ny tsodranon’ny patriarika ho azy ireo rehefa tonga ny fotoana mety aminy. …

Ry rahalahy sy ranabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Lahitokana malalany, dia i Jesoa Kristy Tompo. Tia antsika Izy Ireo. Fanomezana masina avy amin’ Izy Ireo ny tsodranon’ny patriarika. Rehefa mandray ny tsodranonareo ianareo dia ho resy lahatra sy hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo anareo sy ny fomba ifantohan’ Izy Ireo aminareo manokana.

Hamoaka printy