2023
Iray ao amin’i Kristy
Mey 2023


Iray ao amin’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Ao amin’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika ho tena iray.

Ny fahatongavana ho iray ao amin’i Kristy dia miainga amin’ny tsirairay, ka samy manomboka amin’ny tenany isika tsirairay. Olona roa lafy isika, vatana sy fanahy, izay indraindray miady ao anatintsika ao. …

I Jesoa koa dia olona vatana sy fanahy. Notsapaina Izy; mahatakatra izay manjo Izy; afaka manampy antsika Izy hahatratra izany firaisan-kina ao anaty izany. …

Azo antoka fa hita ao amin’ilay hoe “mitafy an’i Kristy” ny fanaovana ilay “did[iny] lehibe sady voalohany” [jereo ny Matio 22:37–38] ho fanolorantenantsika voalohany sady lehibe indrindra, ka raha tia an’ Andriamanitra isika dia hitandrina ny didiny.

Mitombo ny firaisan-kina amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ao amin’ny vatan’i Kristy rehefa mitandrina ilay didy faharoa isika, izay mifandray tsy azo sarahina amin’ilay voalohany, dia ny mitia ny hafa tahaka ny tenantsika. …

Rehefa “mitafy an’i Kristy” isika dia lasa azo atao ny mandravona na manilika ireo fahasamihafana sy tsy fitovian-kevitra ary ireo ady. …

Tsy mitaky fitoviana ny firaisankina, fa tena mitaky firindrana. Afaka mifamatotra amim-pitiavana ny fontsika, ho iray eo amin’ny finoana sy fotopampianarana, kanefa manohana ekipam-panatanjahantena samy hafa, tsy mitovy hevitra eo amin’ny olana ara-pôlitika, mifanakalo hevitra momba ireo tanjona sy ny fomba tsara hahatratrarana azy ireny, ary ny zavatra tahaka izany maro hafa. Saingy tsy azontsika atao mihitsy ny mifanditra amim-pahatezerana na mifamaly. …

Averiko indray, fa amin’ny alalan’ny fahatokiantsika manokana ao amin’i Jesoa Kristy sy ny fitiavantsika Azy ihany no hahafahantsika manantena ho iray. Iray ao anaty, iray ao an-tokantrano, iray ato am-piangonana, ary amin’ny farany iray ao Ziona, ary ambonin’ny zavatra drehetra, iray amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy