2023
I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny
Mey 2023


I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Afaka herinandro androany ny Alahadin’ny Paska. Izany no fotoana fanatanterahana fombafomba ara-pivavahana manan-danja indrindra ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Ny antony lehibe indrindra ankalazantsika ny Krismasy dia noho ny Paska. …

… Noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika isika. Noho Izy dia hitsangana amin’ny maty ny tsirairay avy amintsika. …

… Miangavy anareo aho mba hanatona Azy mba hahafahany manasitrana anareo! Hanasitrana anareo amin’ny fahotana Izy rehefa mibebaka ianareo. Hanasitrana anareo amin’ny alahelo sy ny tahotra Izy. Hanasitrana anareo amin’ireo fahoriana iainana mandritra ity fiainana ity Izy.

Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!

I Jesoa Kristy no antony ananganantsika tempoly. Tranony masina ny tsirairay avy amin’izy ireny. Ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fandraisana ireo ôrdônansy manan-danja any amin’ny tempoly ary koa ny fikatsahana ny hanaiky kokoa Azy any dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy vitan’izay mety ho karazam-pitsaohana hafa. Noho izany antony izany dia manao izay rehetra azonay atao izahay mba hahatonga ireo fitahian’ny tempoly ho mora azon’ireo mpikambana ao amintsika maneran-tany kokoa. …

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mijoro ho vavolombelona aho fa mitantana ny raharahan’ny Fiangonany i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanarahana Azy no hany fomba ahazoana fasambarana maharitra.

Hamoaka printy