2023
Tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano
Mey 2023


Tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Maniry antsika zanany ny Rain’ny fanahintsika mba ho tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano. …

Ireo izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na inona na inona rohim-pirazanany dia lasa ho isan’ny Isiraely voangona. Miaraka amin’izany fanangonana izany sy ireo tempoly maro naorina sy nambara dia manana toerana miavaka isika amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly izay tsy mbola nisy tahaka izany teo ambanin’ny drafitry ny Ray. …

… Feno fankasitrahana izahay fa ny mpikambana sy ny misiônera amin’izao fotoana izao dia manitatra ireo ezaka amin’ny fanangonana an’i Isiraely niely patrana. … Na izany aza dia mbola azo hitarina ho lehibe hatrany ny fanolorantenantsika hitia sy hizara ary hanasa.

Ny ampahany manan-danja amin’ity ezaka fitoriana ity dia ny hahatonga ny mpikambana tsirairay ho ohatry ny fahazavan’ny fanilo na aiza na aiza toerana onenantsika. Tsy afaka ny hiafinafina isika. Ny ohatra tahaka ny an’i Kristy asehontsika eo amin’ny hatsaram-panahy, fahamarinana, fahasambarana ary fitiavana madio ho an’ny olona rehetra dia tsy vitan’ny hoe afaka mamorona fanilo mpitarika ho azy ireo ihany, fa koa miteraka fahatakarana fa misy seranana azo antoka ao amin’ny ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. …

Manaja ny fahafahana misafidy isika. Eto amin’ity tontolo mirona amin’ny zavatra ara-nofo ity dia maro no tsy hanaiky sy tsy handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Saingy maro no hanaiky, ary ny Tompo dia manantena ireo izay nandray ny Filazantsarany mba hiezaka faingana ny ho tonga ohatry ny fanilo mpanazava izay hanampy ny hafa hanatona an’ Andriamanitra. Izany no hahafahan’ireo rahalahy sy anabavintsika maneran-tany hianoka ireo fitahian’ny lanitra sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ho tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano.

Hamoaka printy