2023
Mikatsaka fiadanana an’ny tena manokana
Mey 2023


Mikatsaka fiadanana an’ny tena manokana

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Anio aho dia hiresaka ny zavatra nianarako momba ny fahagagana amin’ny fikatsahana fiadanana an’ny tena manokana, na inona na inona toe-javatra iainantsika. …

Nianatra fahamarinana dimy aho farafahakeliny avy tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy.

Voalohany, omena ny fanomezam-pahasoavan’ny fiadanana aorian’ny fananantsika ny finoana hitandremana ny didy. …

Faharoa, ho tonga ny Fanahy Masina ary hitoetra ao amintsika. …

Fahatelo, mampanantena ny Mpamonjy fa rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia afaka mahatsapa ny fifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka sy ny fitiavan’Izy Ireo antsika. …

Fahaefatra, ny fitandremana ny didin’ny Tompo dia mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fankatoavana. Tokony hitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, ny herintsika rehetra, ny saintsika rehetra ary ny fanahintsika rehetra isika. …

Fahadimy, mazava fa tia antsika tokoa ny Tompo matoa nanefa ny saran’ny fahotantsika mba hahafahantsika, amin’ny alalan’ny finoana Azy sy ny fibebahantsika, amin’ny alalan’ny vokatry ny Sorompanavotany, mahazo ny fanomezana ny fiadanana “izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” [Filipiana 4:7], eto amin’ity fiainana ity sy miaraka Aminy mandrakizay. …

Mpikambana maro manerana ny Fiangonana no efa nahatsapa ny fanomezana ny fiadanana an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo. Mamporisika ny tsirairay Izy mba hanampy ny hafa hanana fahafahana hanatona Azy sy ho mendrika izany fiadanana izany ho an’ny tenan’izy ireo. Izy ireo indray avy eo no hisafidy ny hikatsaka fitaomam-panahy hahafantarana ny fomba ahafahan’izy ireo mampita izany fanomezana izany mankany amin’ny hafa.

Ny taranaka vao misondrotra no ho lasa mpikolokolo ny taranaka mandimby. Hitombo amin’ny fomba mahagaga izany ezaka izany. Hiparitaka sy hitombo izany rehefa mandeha ny fotoana, ka ho vonona hitsena Azy sy hiarahaba Azy amim-pihobiana ny Hosana ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany. Hisy fiadanana eto an-tany.

Hamoaka printy