2023
Aza mamery na oviana na oviana ny fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy
Mey 2023


Aza mamery na oviana na oviana ny fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Na dia mety tsy mankamamy ny fifandraisana akaiky mivantana mitovy tamin’ireo izay niara-nandeha tamin’i Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany aza isika dia afaka miaina ny heriny isan’andro amin’ny alalan’ny Fanahy Masina! Araka izay ilaintsika! …

… Ny fanakaikezantsika an’i Kristy dia mitombo amin’ny alalan’ny fitsaohana matetika any amin’ny tempoly, ny fibebahana isan’andro, ny fandalinana ny soratra masina, ny fandehanana any am-piangonana sy ny fanatrehana seminera, ny fisaintsainana ny tsodranon’ny patriarika, ny fandraisana amim-pahamendrehana ireo ôrdônansy, ary ny fanajana ireo fanekempihavanana masina. Ireo rehetra ireo dia manasa ny Fanahy hanazava ny saintsika, ary mitondra fiadanana sy fiarovana fanampiny izany. Kanefa moa ve isika manaja azy ireny mba ho fahafahana masina hijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy? …

Misy hery amin’ny fanaovana ireo fahazarana masina ireo ho tsy ho lisitra ana zavatra mila tontosaina fotsiny fa mba ho fahafahana hahazoana tenivavolombelona kokoa. Hiandalana ilay dingana saingy hitombo miaraka amin’ny fandraisana anjara mavitrika isan’andro sy ireo zavatra iainana misy tanjona miaraka amin’i Kristy izany. Rehefa mampihatra tsy tapaka ny fampianarany isika dia mahazo fijoroana ho vavolombelona momba Azy; manorina fifandraisana Aminy sy ny Raintsika any An-danitra isika. Manomboka tonga tahaka Azy Ireo isika.

Mamorona zavatra manenlingelina ny fahavalo ka mety ho sarotra ny mandre ny feon’ny Tompo. … Tiantsika ny hamorona fahazarana momba ny maha-mpianatra sy ny fijoroana ho vavolombelona izay hampifantoka ny fianteherantsika amin’ny Mpamonjy antsika isan’andro.

… Mitadiava an’i Kristy na aiza na aiza—Mampanantena aho fa eo Izy! Ny tena fifaliana dia miankina amin’ny fahavononantsika hanatona an’i Kristy sy ny fananana fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika.

Hamoaka printy