2023
I Jesoa Kristy no fanamaivanana
Mey 2023


I Jesoa Kristy no fanamaivanana

Sombin-dahatsoratra

Sary
lafitsary

Hisintona lafitsary

Samy mibaby entana toy ny kitapo isika tsirairay. …

Ity kitapo babena ara-panoharana ity no hilanjantsika ireo enta-mavesatra ateraky ny fiainana eo amina tontolo lavo. Ireo enta-mavesatsika dia toy ny vato ao anatin’ilay kitapo babena. …

Amim-pifaliana lehibe no anambarako fa ireo enta-mavesatra entintsika eto amin’ity fiainana an-tany ity, ireo vato ao amin’ny kitapo babentsika ara-keviny, dia tsy voatery havesatra.

Afaka manamaivana ny entantsika i Jesoa Kristy.

Afaka mitondra ny enta-mavesatsika i Jesoa Kristy.

I Jesoa Kristy dia manome lalana hahafahantsika mahazo fanamaivanana amin’ny vesatry ny fahotana.

I Jesoa Kristy no fanamaivanana ho antsika. …

Koa nahoana isika no miziriziry hibaby samirery ireo vatontsika? …

Ranadahy sy rahavavy isany, tsy vitako samirery izany ary tsy voatery hanao izany irery aho no sady tsy hanao izany irery. …

Voatahy hahazo fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy ireo mpitandrina fanekempihavanana. …

Ny fibebahana, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, no manamaivana antsika amin’ny vesatry ny vaton’ny fahotana. …

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manome ihany koa fahafahana antsika hahazo hery hamelana, izay ahafahantsika manala ny vesatra babentsika noho ny fampahorian’ny hafa.

Dia ahoana ary no hanamaivanan’ny Mpamonjy antsika amin’ireo enta-mavesatra entin’ny fiainana eo amina tontolo lavo manana vatana mety maty izay iharan’ny alahelo sy ny fijaliana?

Matetika no amin’ny alalantsika no hanaovany izany karazana fanamaivanana izany! …

Fitahiana ho antsika ateraky ny fanekempihavanana ny miara-miasa amin’i Jesoa Kristy amin’ny fanomezana fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. …

Ranadahy sy rahavavy isany, i Jesoa Kristy no fanamaivanana. … Maharitra mandrakizay ny fanamaivanana atolony.

Hamoaka printy