Ho zatovo mahery!
Miantehera amin’ny herinyheriny
Martsa 2024


“Miantehera amin’ny heriny,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Momba ity laharana manokana ity

Miantehera amin’ny herinyheriny

Ao amin’ny Filazantsaran’i Marka isika dia mamaky mombana vehivavy iray izay efa tsy salama nandritra ny 12 taona. Nisy olona nilaza taminy momba an’i Jesoa. Koa rehefa niditra tao amin’ny tanàna nisy azy Izy, dia nipetraka teo amoron-dalana niandry ilay vehivavy. Rehefa nandalo Izy, dia nanatona moramora hikasika ny somotraviavin-dambany ilay vehivavy.

Sitrana niaraka tamin’izay izy. Fa tsy izy irery akory no nahatsikaritra izany fahagagana izany, fa i Jesoa ihany koa. “Ary niaraka tamin’izay dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?” (Marka 5:30). Afaka midika ho hery ihany koa ny hoe hatsaran-toetra. Fantatr’i Jesoa avy hatrany fa nisy olona nandray hery avy Aminy. Ny fihetsika nasehony avy hatrany dia ny nitady azy, niresaka taminy, ary nampahatsiahy azy ny herin’ny finoana. Nantsoiny hoe “anaka” izy. Tamin’ny alalany no nanasitranana azy.

Nianatra aho fa tsy misy tsy hahazoam-baliny izany ny vavaka mba hahazoana hery. Raha mangataka fanampiana avy Aminy isika, dia “mamaly ny fangatahana fanampiana ataontsika” Izy (Jereo ny Hymns, lah. 129). Ny lahatsoratra tsirairay ao amin’ny gazetibokin’ity volana ity dia fampahatsiahivana izany fahamarinana izany.

Ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, ny Fiadidiana Voalohany dia mampianatra fa “ny Mpamonjy … no -herin’ny zatovo-” ([2022], 2). Angamba manontany tena ianao hoe ahoana no hahazoana izany hery izany. Manantena aho fa hahita zavatra ao anatin’ireo pejy ireo ianao izay hitarika anao hangataka ny fanampiany.

Hadihadio ireo pejy ireo. Tadiavo ireo teny mitory fanantenana, mitadiava soratra masina manome hery, soraty ny fitaomam-panahy izay namela fahatsapana tao am-ponao. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia ho sitrana ihany koa ianao.

Sary
Emily Belle Freeman

Am-pitiavana be,

Emily Belle Freeman

Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany

Hamoaka printy