Ho zatovo mahery!
Afaka manompo ve aho raha tsy dia mahay mifanerasera aman’olona loatra?
Martsa 2024


Afaka manompo ve aho raha tsy dia mahay mifanerasera aman’olona loatra?,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery hanompoana

Afaka manompo ve aho raha tsy dia mahay mifanerasera aman’olona loatra?

Afaka manatanjaka antsika ny Mpamonjy na dia sarotra amintsika aza ny miresaka amin’olona.

Sary
Zatovovavy iray mandeha an-tongotra amin’ny arabe

Fony aho tany amin’ny lisea dia nihevitra aho fa tsy dia tena nilaina loatra aho ho mpianatr’i Jesoa Kristy satria nanahirana ahy mafy ny niresaka tamin’ny olona. Tsy vitan’ny hoe tsy nahay nifanerasera taman’olona fotsiny aho fa tena saro-kenatra be aho! Saro-kenatra loatra aho ka sahirana vao nahazo namana sy naneho ny tena maha-izy ahy rehefa eo ny mpiara-mianatra tany am-pianarana sy tany am-piangonana.

Vokatr’izany dia nanao izay tsy hahazoako antso tao amin’ny Zatovovavy aho ary nahatsapa aho fa tsy afaka ny hanana fiainana ara-panahy tahaka ireo nitovy tamiko izay be resaka kokoa sy nifanerasera tamin’ny fiarahamonina noho izaho.

Noho izany, rehefa nahavita fianarana tao amin’ny lisea aho ary nanapa-kevitra ny hanao asa fitoriana, dia nihorohoro aho!

Tsapako hoe tian’ Andriamanitra hanompo aho, saingy ny eritreritro voalohany dia hoe: “Inona koa no ilan’Andriamanitra olona tahaka ahy hanompo? Tsy mahavita miresaka amin’olona aho!”

Saingy na dia natahotra aza aho dia nanapa-kevitra ny hatoky an’Andriamanitra sy hanao asa fitoriana ihany na izany aza.

Miantehitra amin’ny herin’i Kristy

Rehefa nanompo aho, dia sarotra ny zavatra rehetra tamin’ny voalohany, saingy rehefa nanohy niezaka (sy namela ny tenako tsy hahomby) aho, dia hitako fa nanatanjaka ahy hanao ny asa nangatahiny hataoko ny Tompo.

Hoy ny Tompo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Raha manatona Ahy ny olona dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27).

Tamin’ny iraka nampanaovina ahy dia tsapako fa afaka manao zavatra mahagaga miaraka amiko i Jesoa Kristy, tsy noho ny heriko fa noho ny Azy. Ary tsapako ihany koa fa tsy tonga tamiko noho ny naha-misiônera ahy fotsiny ny heriny, fa zavatra iray azoko nianteherana fony aho tany amin’ny lisea ihany koa izany.

Ny zavatra mahafinaritra momba an’i Jesoa Kristy dia ny hoe tsy mila diplaoma na CV lava be isika vao afaka ny hanompo ao amin’ny fanjakany sy ho lasa mpianatra matanjaka! Raha manetry tena sy mahitsy fo isika amin’ny faniriantsika hanompo, dia handray antsika marina araka ny maha isika antsika i Jesoa Kristy, amin’ny toerana misy antsika, ary hanome antsika ny fanampiana sy ny hery ilaina hanompoana Azy.

Hamoaka printy