Ho zatovo mahery!
Ny fahagagana ilaintsika isan’andro
Martsa 2024


“Ny fahagagana ilaintsika isan’andro,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery handresena ny fahotana

Ny fahagagana ilaintsika isan’andro

Raha tia antsika Andriamanitra dia nahoana isika no angatahiny hiova sy hibebaka? Ireto misy fahamarinana vitsivitsy momba ny fahotana sy ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
Manasa varavarankely

Sary nataon’i Adam Howling

Ahoana raha afaka nanatri-maso ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy nandritra ny fiainany teto an-tany ianao? Mijery Azy manasitrana ny marary sy manangana ny maty? Na dia tsy afaka miverina any amin’ny lasa mba hijery ireny fahagagana ireny aza isika, dia misy afaka ny ho hitantsika isan’andro ny iray amin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy. Ary izany dia iray amin’ireo manan-danja indrindra amin’izy rehetra: nandresy ny fahotana Izy.

Ny marina momba ny fahotana

Mety hisy hanontany tena hoe nahoana no olana be izany. Ny tena marina, na dia manao hadisoana etsy sy eroa aza isika, dia mbola tia antsika Andriamanitra, sa tsy izany? Eny. Na ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy dia samy tia dia tia antsika. Kanefa noho Izy Ireo tena tia be antsika, dia tsy vitan’izay ihany.

Rehefa nitsidika ny Nefita ny Mpamonjy dia nampianatra antsika ny antony maha-zava-dehibe ny fandresena ny fahotana Izy: “Tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ny fanjakan’ [Andriamanitra]” (3 Nefia 27:19).

Tsy niteny Izy hoe: “tsy misy zavatra tsy madio afa-tsy ny hadisoana madinika vitsivitsy”. Mampianatra izy fa izay karazana fahotana rehetra (tsy fankatoavana an-tsitrapo ny didin’ Andriamanitra) dia manakana antsika tsy hiaina miaraka Aminy indray.

Olana izany. Tsy mbola afaka ny manaraka ny didin’ Andriamanitra amin’ny fomba tonga lafatra isika. Marina amin’ny olona rehetra izany—ny mpaminany marina indrindra, ny mpanota ratsy indrindra, ary ny olona rehetra eo anelanelan’izany. Koa satria tsy afaka mamafa samirery ny fahadisoantsika isika, dia hanakana antsika tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny fahotana.

Ny fahagagan’ny Sorompanavotan’i Kristy

Soa ihany fa fantatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fa nila fanampiana isika. Tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana, dia nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika, ny aretintsika, ny fahoriantsika, ny rofintsika ary ny fahotantsika rehetra i Jesoa Kristy (jereo ny Almà 7:11–13). Satria Izy dia sady ilay Zanak’ Andriamanitra tonga lafatra no zanak’i Maria mety maty, dia afaka nanefa ny saran’ny ota izay tsy azon’olona na iza na iza nefaina Izy.

Izany no antony nahafahany nilaza tamin’ny Nefita hoe: “Koa tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ny fitsaharan’ [Andriamanitra] afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny rany, noho ny finoany sy ny fibebahana tamin’ny fahotany rehetra ary ny fahatokiany hatramin’ny farany.” (3 Nefia 27:19).

Fahagagana lehibe tokoa ny hoe noho i Jesoa Kristy, dia afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika isika! Raha vao fantatsika fa tena ilaintsika ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy, dia afaka miantehitra amin’ny heriny isika rehefa mino Azy, mibebaka amin’ny fahotantsika ary manohy manaraka Azy amim-pahatokiana hatramin’ny farany. Fahagagana izay afaka mitranga isan’andro rehefa matoky ny heriny sy manao asa amim-pinoana ianao!

Hamoaka printy