Ho zatovo mahery!
Soratra masina miisa 12 rehefa ilay ianao mahatsapa …
Martsa 2024


“Soratra masina miisa 12 rehefa ilay ianao mahatsapa … ,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024, pejy–pejy.

Hery avy ao amin’ny soratra masina

Soratra masina miisa 12 rehefa ilay ianao mahatsapa …

Feno fitaomam-panahy ny soratra masina, na inona na inona tsapantsika.

Sary
Zatovovavy mamaky soratra masina

Sary nataon’i Toby Newsome

Taona maro lasa izay dia nanomboka nahatsiaro ho nitebiteby i Elisabeth A., 17 taona, avy any Arizona, Etazonia, ary vao mainka niharatsy izany. “Tsapako nandritra ny tontolo andro, isan’andro izany,” hoy izy. “Mafy tamiko ny namakivaky ny tontolo andro.”

Mba hahazoana fitoniana dia nanapa-kevitra ny hamaky soratra masina isak’alina i Elisabeth. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nahatsapa ho sambatra kokoa izy.

“Fantatro fa tsy irery aho,” hoy izy. Fantatro fa tia ahy Andriamanitra ka nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany, izay nahatsapa ny fahoriantsika, ny ratram-pontsika, ny alahelontsika ary ny hakiviantsika. Amin’ny alalan’ny soratra masina dia manana fifandraisana matanjaka amin’i Kristy sy fomba fijery tsara momba ny fiainana aho!”

Nianaran’i Elisabeth fa feno andinin-tsoratra masina sy tantara momba ny fomba ahazoana fanantenana sy fiadanana ary hery ao amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina. Maro amin’ireo maherifo tiantsika indrindra ao amin’ny soratra masina no nisedra toe-javatra sarotra. Ary tamin’ny tranga rehetra, izy ireo dia nahazo fanantenana sy fiadanana ary hery rehefa nitodika tamin’i Jesoa Kristy.

Mety tsy hamaha ny zavatra lalovanao ny famakiana soratra masina, saingy ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny soratra masina dia afaka manome hery sy fanamaivanana ho anao. Ireto misy soratra masina vitsivitsy azonao jerena raha mila hevitra mitondra fanentanam-panahy ho an’ny tenanao na ho an’ny namanao ianao. Mahita anao manokana ve ianao?

Ho an’ny fotoana ahatsapanao ho …

Malahelo: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6

Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.

Sary
Zatovolahy mahatsiaro ho malahelo, miaraka amina rahona eo amboniny

Tsy mahavita azy: Lioka 12:6–7

Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

Sary
Zatovovavy hita ho menatra

Menatra: Isaia 54:8

Amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao.

Sary
Zatovolahy mihomehy zatovolahy iray hafa izay hita ho malahelo

Kivy: Almà 26:27

Zakao amim-paharetana ny fahorianareo, ary Izaho no hanome fahombiazana anareo.

Sary
Zatovolahy iray hita ho tsy manana fanantenana, manampina ny tarehiny amin’ny tanana

Tsy manana fanantenana: Môrônia 7:41

Hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty.

Malemy: Etera 12:27

Raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.

Sary
Zatovolahy hita ho mitebiteby

Mitebiteby: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88

Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.

Sary
Zatovovavy mitomany

Maratra: Salamo 30:2

Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

Sary
Zatovolahy hita ho matahotra

Matahotra: Josoa 1:9

Mahereza sy matanjaha … fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.

Sary
Zatovovavy hita ho irery sy malahelo

Irery: Jaona 14:18

Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.

Sary
Zatovolahy sy zatovovavy mifamaly

Tezitra: Môrônia 7:48

Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany.

Sary
Zatovovavy mijery famantaranandro, hita ho tsy mahandry

Tsy manam-paharetana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:15

Koa aoka hampaherezina ny fonareo; fa ny zava-drehetra dia hiara-miasa hahasoa ireo izay mandeha araka ny hitsiny tokoa.

Hamoaka printy