Ho zatovo mahery!
Zavatra tena hain’ny Mpamonjy manokana ny manampy amin’ny fahalemena
Martsa 2024


“Zavatra tena hain’ny Mpamonjy manokana ny manampy amin’ny fahalemena,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery ao amin’ny fahalemena

Zavatra tena hain’ny Mpamonjy manokana ny manampy amin’ny fahalemena

Afaka manampy antsika hivoatra ao anatin’ireo adintsika, fa tsy handalo izany fotsiny i Jesoa Kristy.

Sary
Zatovolahy hita ho malemy

Sary nataon’i Uran Duo

Tsy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra toy ny taloha i Mason. Niady mafy tamin’ny fahaketrahana ara-pahasalamana nandritra ny taona vitsivitsy tsy dia nahitam-pahombiazana izy, ary manahy izy fa mety tsy ho tanteraka mihitsy ny nofinofiny.

Maheno zatovo hafa miresaka mombana zavatra niainana tamina fanambarana sy fahagagana i Anna. Na dia miezaka aza izy, dia tsy mahatsapa ho mahazo valiny na miaina zavatra ara-panahy toy ny olon-kafa rehetra.

Manontany tena i Ethan raha mbola hahatsapa ho madio na mendrika indray. Nanaiky ho resina fakam-panahy tena imbetsaka izy ka mahatsapa ho tsy manana fifehezan-tena intsony ary manontany tena raha toa ka very tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina azy. Manontany tena izy raha mbola afaka ny ho voavela heloka ary mihamahatsapa ho meloka hatrany any am-piangonana.

Sahirana amina fikorontanan-tsaina mahakasika ny ara-tsakafo i Madison. Manana fahasarotana amin’ny fianarana i Olivia. Sahirana mafy amin’ny tahotra ny hanao ny tsy mety be loatra (tahotra ny ho meloka be loatra) i Conner. Niharana fanararaotana i Abigail ary mahatsapa ho toy ny tsy misy vidiny. Eo am-panatanterahana ny dingan’ny fisaraham-panambadiana ny ray aman-drenin’i Jake, ary mahatsiaro tena ho maratra sy sahiran-tsaina izy. Nivadihan’olona i Jayden ary tsy mahatsapa ho afaka mamela heloka.

Manana ady maro be ny olona, saingy misy vahaolana iray. Manana anarana izany vahaolana izany—Jesoa Kristy. Te-hahatsapa ho matanjaka, madio, sambatra, ary sitrana indray ireo olona rehetra ireo, saingy tsy afaka mamaha ny olan’izy ireo samirery izy ireo. Saingy manolotra fanampiana i Jesoa Kristy. Raha ny marina, ny manampy amin’ny fahalemena dia zavatra tena hainy manokana. Tsy araka izay fomba na fotoana tiantsika hahatongavany mandrakariva no ahatongavan’ny fanampiany, fa tena tonga ilay izy.

Ireto misy fitsipika sasantsasany hanampiana antsika hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hiara-mamindra Aminy (jereo ny Mosesy 6:34), indrindra fa rehefa amin’ilay mitolona amin’ny fahalemena iny.

Natao ho fizahan-toetra ny fiainana

Tia anao mihoatra noho ny fitiavany ny fahatsapanao fahazoana aina sy fanamaivanana Andriamanitra. Firy amin’ireo maherifonao no tsy miaina afa-tsy fahazoana aina sy fahombiazana fotsiny ihany? Mety hiseho ny hoe miatrika fanoherana mafy sy fahasahiranana miverimberina izy ireo. Ao anatin’ny fisedrana antsika eo amin’ny fiainana, “ny Tompo dia mahita fa mety ny hamaizana ny olony; eny, mizaha-toetra ny faharetany sy ny finoany Izy” (Môzià 23:21). Mety tsy ho tiantsika izany, saingy matetika ny fitsapana mafy indrindra mahazo antsika dia manome antsika fahafaha-mitombo tsy mampino.

Tsy mariky ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra ny fahalemena

Maro ny olona fahiny no nino fa ny aretina ara-batana na ara-tsaina dia mariky ny famaizan’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 9:2). Saingy ny fahalemena dia ampahany amin’ny fiainana vokatry ny Fahalavoana. Na dia ampahany ara-dalàna sy tena ilaina amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra aza ny fitolomana amin’ny zava-tsarotra, ny fiatrehana samirery ireny ady ireny dia tsy ao anatin’izany. Tsy nirahina hanameloka antsika i Jesoa Kristy; nalefa hitia sy hanampy amin’ny famerenana ireo izay very, osa, na irery—izay isika rehetra Izy (jereo ny Jaona 3:16–17; Lioka 15).

Atao matanjaka amin’ny alalan’i Kristy ny zavatra malemy

Zava-dehibe ny hamaritantsika ny tenantsika amin’ny alalan’ny fifandraisantsika ara-panekempihavana amin’i Kristy sy ny fianteherantsika amin’ny fahatanterahany fa tsy faritana amin’ny tsy fahatanterahantsika. Tsy mbola nandà ny malemy izay nazoto nikatsaka Azy tamin-pinoana mihitsy i Jesoa Kristy. Andriamanitra dia manome ny olona “ fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoava[ny] mba hanetreny tena eo anoloa[ny] … ary manam-pinoana [Azy], amin’izany, ny zavatra malemy dia hatao[ny] tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27). Rehefa entintsika eo amin’ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ny adintsika (jereo ny 3 Nefia 9:20) dia mety tsy hanaisotra izany eo no ho eo Izy, fa hanampy sy hanatanjaka antsika.

Manàna faharetana amin’ny tenanao

Dia lavitra ny lalan’ny fanekempihavanana fa tsy hazakazaka mandeha mafy. Ny fanarahana izany lalana izany dia manampy antsika amin’ireo fiolahana sy fiodinana, ny miakatra sy midina, ny mampientanentana sy ny loza, ny tara-masoandro sy ny oram-baratry ny fiainana. Betsaka ny lesona azo ianarana isaky ny dingana amin’io dia io. Rehefa mandeha ny fotoana matetika no anehoana ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, fa tsy amina fotoana maningana na tranga mahagaga fotsiny.

Sary
Zatovolahy hita ho mavitrika

Mifandraisa amin’i Kristy

Raha mahatsapa ho malemy na miady mafy ianao, dia ekeo ny fanasan’ny Mpamonjy hoe: “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Mitadiava fomba izay manampy anao hifandray Aminy. Raha manatona Azy ianao dia ho hitanao fa efa niezaka nanampy anao Izy ary tsy hahafoy anao na oviana na oviana! Tsy ho tonga lafatra ny fiainana, tsy ho afaka amin’ny fahalemena, fahoriana ary ady ihany koa. Saingy ho tsara kokoa izany miaraka amin’ilay Tompo Mpanasitrana eo anilanao mba hanarina anao rehefa lavo ianao, hamehy ny ferinao, ary hitarika anao any amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fifaliana maharitra.

Manam-pahaizana manokana amin’ny fanampiana amin’ny fahalemena i Jesoa Kristy. Manam-pahaizana manokana amin’ny fiasana miaraka aminao Izy!

Hamoaka printy