Ho zatovo mahery!
Rehefa mahatsapa alahelo tampoka
Martsa 2024


“Rehefa mahatsapa alahelo tampoka,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Tanjaka ao anatin’ny fotoan’ny alahelo

Rehefa mahatsapa alahelo tampoka

Rehefa mahatonga anao hahatsapa alahelo ny fiainana, dia afaka mampitraka anao amin’ny fanantenana i Jesoa Kristy.

Sary
Ankizilahy toa malahelo, miaraka amin’ny rahona mainty eo ambony lohany

Sary nataon’i Dean MacAdam

Afaka ny ho tena lasa lavitra eo amin’ny fiainana ianao, amin’ny alalan’ny fiasana mafy sy ny fahavononana tanteraka. Azonao atao ny matory aloha, mifoha maraina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124), ary mameno ny andro tsirairay amina fahazarana sy fifehezan-tena feno fahamarinana.

Na izany aza, dia ho sarotra kokoa noho ny hafa ny andro sasany.

Ary avy eo ny andro hafa sasantsasany … tena sarotra no fahatsapana izany ka mety manomboka mieritreritra ianao fa tsy hisy intsony ireo andro mahafinaritra.

Inona no ataonao amin’ireny andro ireny? Inona no ataonao rehefa toa tsy ampy ny ezaka tsara indrindra ataonao, anisan’izany ny ezaka tsara indrindra ataonao mba hiainana fiainana marina (vavaka, fifadian-kanina, fandalinana soratra masina, fandehanana any am-piangonana sy tempoly, sns.)? Rehefa miady hatrany hatrany amin’ny hakiviana ianao, kanefa toa vao mainka manohitra anao mafimafy kokoa izany?

Mazava ho azy fa mitodika amin’i Jesoa Kristy ianao. Ny fanantenana dia fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy (jereo ny Môrônia 8:26). Ary ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy rehetra dia avy amin’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 10:17).

Rehefa mitambesatra aminao tahaka ny tendrombohitra milatsaka avy any an-danitra ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, dia afaka ny ho azonao ilay fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hananana fanantenana rehefa mifantoka bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy ianao.

“Manamaivana ny enta-mavesatro ny Tompo”

Efa sarotra tamin’ny Venezoeliana maro ny fiainana talohan’ny nisian’ny valanaretina COVID-19 tamin’ny 2020, saingy tamin’izany dia na ny zavatra fototra ilaina mba hijanonana ho velona aza dia lasa sarotra. Ho an’i Sebastian 11 taona sy ny fianakaviany, dia nilaina ny hery avy amin’i Jesoa Kristy mba hijanonana ho be fanantenana sy faly mandritra ny fotoana mampalahelo. “Malahelo aho rehefa tsy afaka mividy zavatra tena ilaina toy ny sakafo, fitafiana ary fanafody izahay,” hoy i Sebastian. “Saingy mino aho fa hanohy hitahy anay ny Tompo. Mahatsiaro ho voatahy aho satria afaka nandray ny tsodranon’ny patriarika ho ahy. Izany dia milaza amiko ny zavatra nampanantenaina ahy talohan’ny nahatongavako teto an-tany.”

Ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy tao anatin’ny teny filamatry ny zatovo tamin’ny taona lasa (“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy” [Filipiana 4:13]) dia voaporofo fa tena manampy tokoa. “Noho ny zava-tsarotra atrehin’ny fireneko, ny teny filamatry ny zatovo tamin’ny taona lasa dia nampahatsiahy ahy fa hanampy ahy handresy sy hanao ny zavatra rehetra amin’ny alalany i Kristy”, hoy i Sebastian.

Lavitra tokoa ny dia, saingy nahita fitahiana sy fanantenana i Sebastian sy ny fianakaviany rehefa nandeha teny ny fotoana. “Manamaivana ny enta-mavesatro ny Tompo”, hoy izy. “Rehefa malahelo aho dia mivavaka, mandalina ny soratra masina ary mamaky ny tsodranon’ny patriarika ho ahy. Isaorana Azy fa ny fandraharahana mombana fitaovam-panoratana ataon’ny fianakavianay izay nosokafanay telo taona lasa izay dia nahomby kokoa tamin’ity taona ity. Te hilaza amin’ny zatovo hafa aho fa tokony ho vonona foana izy ireo ny hiantehitra amin’i Jesoa Kristy. Rehefa manao izany aho dia afaka mandresy ireo zava-tsarotra lalovako.”

Hery amin’ny alàlan’ny fifantohana tsara kokoa

I Nefia mpaminany, izay niaritra zava-tsarotra goavana teo amin’ny fiainany, dia nampianatra ity fahamarinana mahafinaritra ity:

“[miboseseha] handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20).

Ny fanantenana, izay loharanon-kery mahery vaika manohitra ny alahelo, dia tonga rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika. Fotoana hamindranao bebe kokoa ny fifantohanao ho Aminy ve izao?

Hamoaka printy