Ho zatovo mahery!
Ho zatovo mahery: Ny hafatry ny Mpamonjy ho anareo
Martsa 2024


“Ho zatovo mahery: Ny hafatry ny Mpamonjy ho anareo,” Ho zatovo mahery, mar. 2024.

Torolalana iray hahazona ny tanjany

Ho zatovo mahery: Ny hafatry ny Mpamonjy ho anareo

Ity torolalana ity dia manampy anareo hampifandray ireo safidinareo amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany.

Sary
Jesoa Kristy

I Stand at the Door and Knock [Mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, nataon’i J. Kirk Richards

Alao sary an-tsaina hoe mipetraka any Galilia fahiny ianao, 2 000 taona lasa izay. Nasaina ianao sy ireo namanao hanatrika fivoriana fampaherezam-panahy ho an’ny tanora ao amin’ny synagoga eo an-toerana, izay ahitana mpandahateny vahiny iray manokana: i Jesoa avy any Nazareta. Ary tamin’ny fotoana iray tao amin’ny hafany, dia nanasa ireo tanora tao amin’ireo mpanatrika i Jesoa mba hametraka fanontaniana Aminy.

Inona avy ireo karazana fanontaniana heverinao fa mety ho renao?

Heveriko fa ny fanontaniana sasany dia haneho ny kolontsaina sy ny toe-javatra nisy tamin’izany fotoana izany. Saingy mino tokoa aho fa maro amin’izy ireo no hitovy amin’ny fanontaniana ananantsika ankehitriny.

Ohatra, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia nametraka fanontaniana toy izao tamin’ny Mpamonjy ny olona:

  • Inona no tsy maintsy ataoko mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?1

  • Ekena ve aho? Manana ny toerako ve aho?2

  • Raha manota amiko ny rahalahiko, impiry aho no hamela azy?3

  • Inona no hitranga amin’ity tontolo ity amin’ny hoavy? Ho voaro ve aho?4

  • Afaka manasitrana ny olon-tiako ve Ianao?5

  • Inona no marina?6

  • Ahoana no ahafantarako raha mandeha amin’ny lalana marina aho?7

Moa ve isika rehetra tsy manontany zavatra mitovy amin’izany indraindray? Nandritra ny taonjato maro dia tsy niova firy ireo fanontaniana. Ary tsy niova koa ny fangorahan’ny Mpamonjy amin’ireo izay manontany azy ireny. Fantany ny mety ho manahirana sy mampisafotofoto ny fiainana. Fantany fa mora ny mamoy ny lalantsika. Fantany fa manahy ny amin’ny hoavy isika indraindray. Ary hoy Izy amiko sy ianao, araka izay nolazainy tamin’ny mpanara-dia Azy fahiny hoe:

  • “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.”8

  • “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”9

  • “Manaraha Ahy.”10

Rehefa manana safidy manan-danja tokony hatao ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no safidy tsara indrindra. Rehefa manana fanontaniana ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no valiny tsara indrindra.

Izany no mahatonga ahy ho tia ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Manondro antsika amin’i Jesoa Kristy izany mba hahazoantsika ny tanjany. Mitahiry tahadikan’izany ato am-paosiko aho amin’ny fotoana rehetra. Rehefa mihaona amin’ny olona manerana an’izao tontolo izao aho, izay te-hahafantatra ny antony mahatonga antsika, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika, manao izay ataontsika, dia zaraiko amin’izy ireo ity torolalana ity.

Ny Ho zatovo mahery dia mampianatra fahamarinana mandrakizay momba ny Mpamonjy sy ny lalany. Manasa anareo hanao safidy mifototra amin’ireo fahamarinana ireo izany. Ary mizara fitahiana nampanantenaina izay atolony ho an’ireo izay manaraka Azy izany. Mba vakio, diniho ary zarao ity torolalana ity!

Asao Izy hiditra

Te ho ao amin’ny fiainanao i Jesoa Kristy—fiarahana tsy tapaka isan’andro, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. Tsy mijoro eo amin’ny faran’ny lalana fotsiny Izy, miandry anao hanatratra Azy. Hiara-mandeha aminao amin’ny dingana rehetra izy. Izy no Lalana!

Saingy tsy hanery ny lalany ao amin’ny fiainanao Izy. Manasa Azy hiditra ianao, amin’ny alalan’ny safidinao. Izany no antony maha-sarobidy ny torolalana iray hanaovana safidy, toy ny Ho zatovo mahery. Isaky ny manao safidy tsara mifototra amin’ny fahamarinana mandrakizain’ny Mpamonjy ianao dia mampiseho fa maniry Azy eo amin’ny fiainanao ianao. Ireny safidy ireny dia manokatra ny vavahadin’ny lanitra, ary ny heriny dia hirotsaka eo amin’ny fiainanao.11

Asio fifandraisana matanjaka

Mety ho tsaroanao fa nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ilay lehilahy hendry izay “nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy” ireo izay mihaino sy manatanteraka ny teniny. Nanazava izy hoe:

“Ary nirotsaka ny orana, ary tonga ny riaka, ary nifofofofo ny rivotra ary namely izany trano izany; ary tsy nianjera izany, satria efa niorina teo amin’ny vatolampy.”12

Tsy ravan’ny tafio-drivotra ny trano iray satria matanjaka ilay trano. Tsy rava ihany koa izy io satria matanjaka fotsiny ny vatolampy. Tsy ravan’ny tafio-drivotra ilay trano satria niraikitra mafy tamin’io vatolampy mafy io izany. Ny tanjaky ny fifandraisana amin’ny vatolampy no zava-dehibe.

Toy izany koa, rehefa manorina ny fiainantsika isika, dia zava-dehibe ny manao safidy tsara. Ary zava-dehibe ny mahatakatra ny fahamarinana mandrakizain’ny Mpamonjy. Saingy ny tanjaka ilaintsika mba hanoherana ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainana dia tonga rehefa mampifandray ireo safidintsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany isika. Izany no hanampian’ny Ho zatovo mahery! atsika.

Ohatra, mety ho fantatry ny namanao fa miezaka ny tsy mampiasa teny manafintohina na mandratra ianao. Mety ho hitan’izy ireo fa manatona an’ilay ankizy any am-pianarana izay tsy noraharahian’ny ankamaroan’ny olona na ampijalian’izy ireo mihitsy aza ianao. Saingy fantatr’izy ireo ve fa manao ireo safidy ireo ianao satria i Jesoa Kristy dia nampianatra fa “ny olona rehetra dia rahalahinareo sy anabavinareo—anisan’izany … ireo olona izay tsy mitovy aminareo”?13

Mety ho fantatry ny namanao fa mandeha miangona ianao isaky ny alahady. Mety ho tsikaritr’izy ireo rehefa vonoinao ny hira iray na mandà ny fanasana hijery sarimihetsika iray ianao. Saingy fantatr’izy ireo ve fa manao ireo safidy ireo ianao satria manana “fifandraisana ara-panekempihavanana mahafaly amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy,” ary ao anatin’izany fanoloran-tena hanaraka ny Mpamonjy izany dia feno fankasitrahana ianao “manana ny Fanahy Masina ho namanao lalandava”?14

Mety ho fantatry ny olona fa tsy misotro ianao na mifoka sigara na mampiasa zava-mahadomelina hafa. Saingy fantatr’izy ireo ve fa manao ireo safidy ireo ianao satria i Jesoa Kristy dia nampianatra fa “masina ny vatanao,” “fanomezana mahagaga avy amin’ny Rainao any An-danitra,” natao araka ny endriny?15

Mety ho fantatry ny namanao fa tsy hamitaka na handainga ianao ary mandray ny fianarana ho zava-dehibe. Fantany ve anefa fa izany dia satria nampianatra i Jesosy Kristy fa “ny fahamarinana no hahafaka anareo tsy ho andevo”?16

Indrindra indrindra, moa ve fantatry ny namanao fa manao ireo safidy tsy tian’ny olona indraindray ireo ianao mba hijanonana ho mahatoky amin’ny fitsipik’i Kristy satria fantatrao fa “i Jesoa Kristy no tanjakao”?17

Izy no tanjakao

Omeko anareo ny fijoroako ho vavolombelona azo antoka fa i Jesoa Kristy no Lalana mankany amin’ny hoavy mamirapiratra sy be voninahitra—ny hoavinareo. Ary Izy koa no Lalana mankao amin’ny ankehitriny mamirapiratra sy be voninahitra. Mandehana amin’ny lalany, dia hiara-mandeha aminareo Izy. Vitanareo izany!

Ry tanora namako malala, i Jesoa Kristy no tanjakareo. Tohizo ny mandeha miaraka Aminy, dia hanampy anareo Izy hisidina “amin’ny elatra tahaka ny voromahery”18 mankany amin’ilay fifaliana mandrakizay izay nomaniny ho anareo.

Hamoaka printy