Ho zatovo mahery!
Manampy ny hafa amin’ny fomba tsotra sy mafonja hanatona an’i Kristy
Martsa 2024


“Manampy ny hafa amin’ny fomba tsotra sy mafonja hanatona an’i Kristy,” Ho zatovo mahery!, Martsa 2024.

Manampy ny hafa amin’ny fomba tsotra sy mafonja hanatona an’i Kristy

Manana fomba tsy tambo isaina ianao hanehoana fitiavana, hizarana ireo zavatra inoanao, ary hanasanao ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

Sary
Jesoa Kristy

Indray andro tamin’izaho kilasy faharoa tao amin’ny lisea, dia nanontany ahy i Nedra namako hoe: “Russ a, nahoana ianao no tsy mamonjy seminera?”

Tamin’izany fotoana izany dia tsy niangona ny ray aman-dreniko. Tsindraindray ihany aho vao niangona niaraka tamin’ny namako, ary tsy nanao seminera aho. Ny ampitson’iny aho dia nanatrika seminera tamin’ny 6 sy sasany maraina. Taorian’izany dia nanatrika isan’andro aho—na dia nandritra ireo marainan’ny ririnina nangatsiaka sy nisy oram-panala aza.

Nikasika ny foko ireo zavatra nianarako tao amin’ny seminera. Nihanitombo ny fijoroana ho vavolombelona nananako rehefa nianatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny aho. Nanomana ahy hanompo ho misiônera tany Angletera sy hanohy ny fanompoana ny Tompo sy ny Fiangonany mandritra ny androm-piainako izany.

Ny nanasan’i Nedra ahy hamonjy seminera dia nanampy ahy hahita, amin’ny fomba manokana, fa misy fahafahana tsy tambo isaina azonao araraotina mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy Tompo. Amin’ny alalan’ny fomba tsotra nefa mafonja, dia afaka mampiseho ny fitiavanao, mizara ny zavatra inoanao, ary manasa ny hafa manodidina anao mba hiaina ny fifaliana sy fiadanana hoentin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ianao.

Lasa mahafantatra ny Mpamonjy

Mba tena hanampiana ny hafa hanatona tokoa an’i Kristy, dia mila mahatakatra aloha ianao hoe iza Izy. I Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra sy ilay hany afaka ny ho Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao.

Izy ihany no afaka niaina fiainana tonga lafatra, nanao sorona fanavotana ho an’ireo fahotanao, nijaly ireo “fanaintainana[o] sy fahoriana[o] ary fakam-panah[inao]” (Almà 7:11) rehetra, ary avy eo hamoy ny ainy ary hamerina izany indray. Noho i Jesoa Kristy, dia hitsangana amin’ny maty indray ny zanak’ Andriamanitra rehetra ary afaka handray ireo fitahiany masina sy be voninahitra indrindra.

Rehefa mahatakatra ianao hoe iza ilay Mpamonjy—ary ho afaka toy ny ahoana ny hoavinao mandrakizay noho Izy—dia haniry ny hiaina ny fiainanao araka ny fomba izay ankasitrahany ianao. Ary tena ankasitrahany tokoa rehefa mitory ny filazantsarany ianao, amin’ny alalan’ny teny sy ny zavatra atao, amin’ireo olona izay ifandraisanao isan’andro.

Manolora tanana amim-pitiavana

Rehefa lasa mahafantatra sy mitia kokoa ny Mpamonjy ianao, dia haniry ny hanaraka Azy sy ireo fampianarany akaiky kokoa, ka tafiditra ao anatin’izany ny didy ny “mba hifankatiavanareo” (Jaona 13:34).

Rehefa nankany amin’ny Lamanita hitory ny filazantsara i Amôna, dia nanolo-tena ny mba ho lasa mpanompon’i Lamônia Mpanjaka izy. Nampiseho fitiavana sy fanolorantena tena avy amin’ny fony i Amôna rehefa niaro ireo zanak’ondrin’ny mpanjaka. Nanalefaka ny fon’i Lamônia Mpanjaka ny zavatra nataon’i Amôna. Rehefa nampianatra ny filazantsara i Amôna, dia niditra tamin’i Lamônia Mpanjaka ny Fanahy ary niova fo izy (jereo ny Almà 17–19).

Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy tena izy dia midika hoe mitia ny namanao tahaka ny tenanao (jereo ny Matio 22:36–40). Raha ohatra ka afaka mahatsapa izy ireo fa tia sy miahy ny amin’izy ireo ianao, dia azo inoana fa ho vonona kokoa izy ireo ny hizaranao ireo zavatra izay fantatrao fa marina izy .

Mahita ny herim-po hizarana

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, ny Mpamonjy dia namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana ho eto an-tany miaraka amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina amin’ny fivoarantsika mandrakizay. Rehefa mipaka amin’ny fonao ny hafatra feno voninahitry ny Famerenana amin’ny laoniny, dia tokony haniry ny hihiaka izany avy eny amin’ny tafontrano rehetra ianao! Tokony hazoto hirotsaka amin’ny fizarana amin’ny olona tsirairay avy ilay fahalalana sarobidin’ilay filazantsara tafaverina amin’ny laoniny ianao. Tiako ny manao izany!

Ny olona sasany dia mety hiahiahy fa tsy ho liana na handà ny zavatra zarainy ny hafa. Eny, mety hitranga izany. Taorian’ny nihazakazahan’i Abisa nitety varavarana hilazana amin’ny olona fa tonga tao amin’i Lamônia Mpanjaka sy ny tokantranony ny herin’ Andriamanitra, dia nisy ireo nino, saingy maro no nisafidy ny tsy hihaino (jereo ny Almà 19:17–31).

Na hanaiky izany izy ireo na tsia, ny fanomezana lehibe indrindra azonao omena ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana—na ny fahavalo mihitsy aza—dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mivavaha mba hanana herim-po, dia zarao, rehefa mety ny hanaovana izany, ny zavatra fantatrao fa marina.

Manolora fanasana tena avy amin’ny fo

Fony aho mbola filohan’ny misiônan’i Kanadà Toronto, dia nanampy ny maro tamin’ireo misiônerako hampianatra mpandraharaha iray izay. Taorian’ny lesonay dia nasaiko izy hivavaka sy hangataka amin’ny Ray any An-danitra raha marina ny hafatray.

“Tsy mahay mivavaka aho,” hoy izy.

Nolazaiko izy fa ny hany zavatra nilainy hatao dia ny mandohalika sy mangataka tsotra izao amin’ny Ray any An-danitra mba hanamafy ny fahamarinana aminy.

“Vitanao izany!” Nankahereziko izy.

Niara-nandohalika izahay ary nanomboka nanonona vavaka ilay lehilaly. Rehefa vita izany dia hoy izy: “Inona izany zavatra manjo ahy izany? Mbola tsy nahatsapa zavatra toy izao aho hatramin’izay.”

“Izany no fomba hamalian’ny Ray any An-danitra vavaka,” hoy aho. “Nangataka ianao, dia namaly Izy.”

Ampianariko foana ny misiônera sy ny mpikambana manerana izao tontolo izao fa ny fiovam-po dia manomboka rehefa mahatsapa zavatra ny olona. Rehefa manasa ny hafa hihaino ny filazantsara ianao dia asao koa izy ireo hivavaka sy hangataka mba hahatsapa ny fahamarinana ao am-pony. Raha mangataka amin’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 1:5) amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana sy finoana an’i Kristy izy ireo, dia afaka hahazo fanamafisana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (jereo ny Môrônia 10:4–5). Tena mampientanentana sy mitondra fifaliana ny manampy ny hafa hianatra fahamarinana avy amin’ny tenany.

Tsarovy fa lehibe ny hasarobidin’ny fanahy tsirairay

Tsy ho ampoizinao mihitsy ny zavatra hitranga rehefa manampy ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny mitia sy mizara ary manasa ianao. Ny Lamanita ohatra, dia tsy noheverina loatra ho olona handray ny filazantsara, kanefa dia lasa tena niova fo tokoa izy ireo ka “tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6–7).

Tsy tokony hanantena vokatra toy izany foana akory ianao isaky ny mizara ny filazantsara. Fa amin’ny fomba tsotra sy mafonja, dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ana fahamarinana ianao ary mampahafantatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amina zanak’ Andriamanitra maro kokoa .

Rehefa hitanao fa tena sarobidy amin’ny Ray any An-danitra tokoa ny zanany tsirairay avy, dia haniry ny hanao izay rehetra azonao atao ianao mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy sy handingana ao amin’ny fahazavan’ny filazantsarany ary handia eo amin’ny lalana mankamin’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

Moa ve hisy zavatra hahafinaritra kokoa noho izany eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy