“Rahoviana aho no hitsahatra tsy hahatsapa fahamelohana sy henatra intsony?,“ Ho zatovo mahery!, mar. 2024.
Hery handresena ny fahotana
Rahoviana aho no hitsahatra tsy hahatsapa fahamelohana sy henatra intsony?
Indraindray dia mety ho toy ireny hoe mora kokoa ireny ny mahatsiaro ho tsy misy fanantenana ny amin’ny tenanao noho ny mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy anao—saingy araka ny fantatr’i Nefia dia tsy voatery ho toy izany.
Rehefa manao ny tsy mety ianao dia mety hanana eritreritra ao an-tsainao hoe olona tsy mahomby ianao. Hoe tokony ho nanam-pahalalana bebe kokoa ianao. Hoe tsy mendrika ny hotiavina ianao.
Fantatrao lalina ao anatinao fa tsy misy marina ireo zavatra ireo. Nianatra momba ny lanjanao amin’ny maha-zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra anao ianao, ary fantatrao fa tena misy sy azo atao ny fibebahana. Saingy na izany aza, rehefa avy manota na manao fahadisoana ianao, dia mety halaim-panahy hanasazy ny tenanao mihoatra noho ny olon-kafa, amin’ny eritreritra feno fahamelohana sy henatra.
Na dia ny sasany amin’ireo olona ao amin’ny soratra masina ankafizintsika indrindra aza dia nisy fotoana nahatsapa toy izany.
Na i Nefia aza ve?
Rehefa avy nanoratra momba ny fahalasanan’ny rainy i Nefia dia nanoratra hoe, “na dia eo aza ny halehiben’ny hatsaram-pon’ny Tompo tamin’ny nanehoany tamiko ny asany lehibe sy mahatalanjona, dia niantsoantso ny foko hoe: Indrisy olona fadiranovana aho! Eny, malahelo ny foko noho ny nofoko; ory ny fanahiko noho ny heloko. Voahodidin’ny fakam-panahy sy ny fahotana izay mora mahazo ahy aho. Ary rehefa mba naniry ny hifaly aho, dia mitoloko ny foko noho ny fahotako” (2 Nefia 4:17–19).
I Nefia ilay resahintsika ity—ilay olona izay nanavotra ny takela-barahina tamin’i Labàna, nanao tsipìka niainga tamin’izay nisy teo am-pelatanany tany an-tany foana, ary nanamboatra sambo nefa tsy mbola nanao izany mihitsy taloha. Nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahatsaran’ny Tompo izy; fa na izany aza dia nahatsiaro ho tsy mendrika izy noho ny fahotany sy ny fahalemeny.
Ka inona àry izany no hataontsika? Raha toa ka ilay maherifontsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no sahirana mafy amin’ny fahatsapana ho meloka sy tsy mahay dia inona no azontsika atao rehefa mahatsapa ny toy izany isika?
Ny fanalahidy dia ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy
Tsy nifarana teo ny tantaran’i Nefia. Ny fanalahidy ho an’i Nefia dia ny namindra ny fifantohany niala tamin’ny tenany nankamin’i Jesoa Kristy.
Teo am-pitomaniana i Nefia, dia nilaza hoe: “Kanefa fantatro izay efa nitokiako. Andriamanitro no andriko” (2 Nefia 4:19–20).
Taorian’io fiovana toetsaina io dia tsy nifantoka intsony tamin’ny alahelo tsapany avy tamin’ny fahadisoany ilay maherifontsika. Fa izy kosa dia nifaly tamin’ny Mpamonjiny! Hoy i Nefia: “Miravoravoa ry foko ary antsoy ny Tompo ary lazao hoe: Tompo ô, hidera Anao mandrakizay aho; eny hiravoravo Aminao ny fanahiko ry Andriamanitro sy vatolampin’ny famonjena ahy” (2 Nefia 4:30).
Tahaka an’i Nefia, ianao dia afaka mahazo famindram-po sy famelan-keloka ary fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mety tsy hahatsapa ho afaka manome fahasoavana ny tenanao ianao, fa misy Iray izay hanao izany. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ilay fahasoavana manonitra avy amin’i Kristy dia tsy manolotra famonjena antsika amin’ny alahelo sy ny fahotana ary ny fahafatesana fotsiny ihany fa manolotra famonjena antsika amin’ny fitsikerantsika tena izay tsy mety afaka.”1
Noho izany, rehefa mahatsiaro ho tena malahelo ianao ka tsy mahita fomba handresena ny fahotanao sy ny fahadisoanao, dia fantaro fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tsy mbola nitsahatra nitia anao mihitsy. Apetraho amin’ny Mpamonjy anao ny fifantohanao, dia afaka hanampy anao handresy ny fahotanao sy ny fahatsapanao ho meloka Izy.