“Tratran’ny rarin-tsaina aho! Dia inona no hataoko izao?,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.
Hery ao anatin’ny fotoan’ny rarin-tsaina
Tratran’ny rarin-tsaina aho!Dia inona no hataoko izao?
Ireto misy hevitra vitsivitsy hanampiana anao hahazo ny hery manamaivana rarin-tsaina ananan’ny Mpamonjy.
Rarin-tsaina.Tebiteby. Vesatra. Tsindry. Olana. Fanahiana.
Na inona na inona iantsoanao izany, dia efa ampahany amin’ny fiainana eto an-tany hatramin’ny nialan’i Adama sy i Eva tao amin’ilay Saha izany. Tsy misy raikipohy hahazoana “fiainana tsy misy rarin-tsaina.” Raha ny marina, ny fiainana toy izany dia tsy misy dikany! (Jereo ny 2 Nefia 2:11–12.)
Koa satria tsy afaka manala tanteraka ny rarin-tsaina isika, dia tokony hifantoka amin’ny fomba hiatrehantsika izany. Ny ankamaroan’ny loharanon’ny rarin-tsaina dia azo zaraina ho sokajy roa:
-
Zavatra azonao fehezina.
-
Zavatra tsy azonao fehezina.
1. Zavatra azonao fehezina
Nandritra ny taona maro dia olona maro avy amina finoana hafa no nahazo fampiononana tamin’ny fanononana ilay antsoina hoe “Vavaka ho an’ny fahatoniana”: “Andriamanitra ô, omeo ahy ny fahatoniana hanaiky izay tsy azoko ovana, herim-po hanovàna ireo zavatra izay tokony ho vitako ary fahendrena mba hahafantarako ny fahasamihafan’izany.”1
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanome ireo Olomasina voalohany torohevitra mitovitovy amin’izany amin’ny fisahanana ny zava-tsarotra maro nolalovan’izy ireo: “Noho izany ry rahalahy malala sy ankamamiana tokoa, aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika, omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17; nasiana fanamafisana).
Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: Ataovy izay rehetra azonao atao dia avelao Andriamanitra no hanohy azy. Mifantoha amin’ny zavatra azonao fehezina, toy ny:
Ny safidinao manokana
Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, isika dia “afaka mandrakizay, mahalala ny tsara sy ny ratsy; mihetsika ho azy fa tsy etsehina” (2 Nefia 2:26). Tokony “hazoto hirotsaka” amin’ny fanaovana zavatra tsara isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27).
Ny toe-tsainao
Nanoratra izao ilay poeta Amerikana Maya Angelou: “Ny zavatra tokony hataonao rehefa tsy tianao ny zavatra iray dia ny manova izany. Raha tsy azonao ovana izany, dia ovao ny fomba ieritreretanao azy.”2 Tadiavo ny tsara eo amin’ny olona sy ny toe-java-misy. Avadiho ho kilalao ny asa aman-draharaha. Ny fijanonana ao ao anatin’ny fahalahelovanao ny tenanao noho ny fankahalanao ny toe-javatra misy iray dia tsy hanatsara zavatra.
Ny fihetsika avalinao ny zavatra tsy azonao fehezina
Tsy afaka misoroka ny rivo-doza ianao, fa afaka manome fotoana, vola, na asa hanampiana ireo tratran’izany. Tsy afaka manakana ny namana iray tsy hiala ao amin’ny Fiangonana ianao, saingy afaka manohy mitia azy sy maneho ohatra tsara. Tsy afaka manakana ianao raha misy olona milaza zavatra feno haratsiam-panahy aminao, fa afaka misafidy ny fomba hamaliana izany ianao.
Ary mandritra izany rehetra izany dia tsarovy ilay zavatra iray azonao atao foana: mivavaka. Angataho hanao ny zavatra tsy vitanao Andriamanitra, hanova izay tsy azonao ovana. Na inona na inona vokatra, dia afaka manampy anao hahatsapa fiadanana ny Mpamonjy.
2. Zavatra tsy azonao fehezina
Ity no sokajy mora atrehina indrindra satria tsotra ny tetikady:
Raha tsy afaka mifehy ilay izy ianao, dia aza manahy ny amin’izany.
Fa mampihara kosa finoana an’i Jesoa Kristy ary mifantoha amin’izay azonao fehezina. Manaova ezaka tsy hamela ny fanahiana hanimba anao.
Mora tenenina fa sarotra atao, mazava ho azy. (Tsy mba maniry ny hanana bokotra “fanahiana” izay azonao alefa sy vonoina fotsiny ve ianao?)
Saingy ny fanekena fa tsy voafehinao ny olana iray no dingana voalohany tsy hamelana izany hanome rarin-tsaina anao. Avy eo dia mametraka ny finoanao amin’i Jesoa Kristy ianao.
Amin’ny ankapobeny ny zavatra tsy azontsika fehezina dia ao anatin’ny iray amina sokajy roa:
Trangan-javatra voajanahary
Mosary, haintany, loza voajanahary. Valanaretina. Tsy fahafaha-manoatra noho ny antony ara-batana sy toe-pahasalamana vitsivitsy. Afaka miantraika amin’ireo zavatra ireo ny fitondran-tenan’ny olona, ary matetika no misy dingana azontsika atao mba hiomanana amin’izany na hampihenana ny fiantraikan’izany. Saingy tsy afaka mifehy izany isan’andro isan’andro isika.
Safidin’ny olon-kafa
Ny fitondran-tenan’ny olona an-jotra. Na mijanona ao amin’ny Fiangonana na tsia ny namanao. Ny zavatra ifosan’ny olona anao. Fanapahan-kevitra noraisina fitsarana sy fitondram-panjakana. Zavatra mandeha amin’ny fahitalavitra. Ny vidin-javatra. Afaka manome ny hevitrao ianao, fa amin’ny farany, ny safidy rehetra ataon’ny olona hafa ankoatra ny tenanao dia tsy voafehinao.