Ho zatovo mahery!
Mahazoa ny heriny—Ankehitriny sy Mandrakizay
Martsa 2024


“Mahazoa ny heriny—Ankehitriny sy mandrakizay,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery amin’ny fotoana rehetra

Mahazoa ny heriny—Ankehitriny sy Mandrakizay

Mendrika ny hahazo ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fanampiany ianao.

Sary
Zatovolahy anaty kirihitra feno tsilo

Sary nataon’i Alex Nabaum

Alaovy sary ao an-tsaina hoe mandehandeha mamakivaky ny ala ianao ary mifanena amina ankizilahy iray izay tafintohina ary nitontona tao anaty rantsan-kazo maina nihitsoka tao. Mavesatra loatra ka tsy voaaingany irery ny iray amin’ireo rantsan-kazo.

Hanampy ve ianao? Sa hipetraka aloha ianao dia hamantatra raha mendrika ny fanampianao akory izy?

Mazava loatra fa hanampy ianao! Ny fieritreretana tsy hanome ny fanampianao raha tsy nanao zavatra mba hahamendrika azy hahazo izany ilay zazalahy dia mety ho hadalana aminao mihitsy aza. Kanefa dia toy izany no ieritreretantsika ny tenantsika—raha tsy hoe, amin’ity indray mitoraka ity dia isika ilay ankizy mila fanampiana.

Mendrika ny hovonjena ianao

Na firy taona ianao na firy taona, dia zanaka ianao raha ampitahaina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. (Raha ny marina dia zanaka ara-bakitenin’ny Ray any An-danitra ianao.) Ary ny herinao, na ara-batana, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy, na ara-tsaina, dia tsinontsinona raha oharina amin’ny Azy Ireo. Ny ankamaroantsika dia mahatakatra tsara izany foto-kevitra izany. Saingy rehefa solafaka noho ny antony tsy voafaritra isika, dia matetika loatra isika no mahatsapa fa tsy afaka mangataka fanampiana raha tsy efa nahavita izay takina mba ho mendrika hahazo izany. Tsy marina tsotra izao izany.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niresaka momba ilay fanoharana momba ilay ondry very ao amin’ny Lioka 15.

“Mila mahafantatra ny fomba fampiasana fandrefi-zefa-joro tena manahirana ve ilay ondry mba hanaovana kajy ny mombamomba ny toerana misy azy?” hoy izy nanontany. “Mila mahay mampiasa GPS izy mba hamaritana ny toerana misy azy? Mila manana fahaizana manokana hamoronana application izay hangataka fanampiana ve izy? Mila fankatoavana avy amin’ny mpanohana ve ilay ondry alohan’ny hahatongavan’ilay Mpiandry Tsara hamonjy azy?

“Tsia. Mazava ho azy fa tsia! Mendrika ny hahazo ny fanavotan’ Andriamanitra [ilay ondry] satria tian’ny Mpiandry Tsara tsotra izao.

“Ho ahy, ilay fanoharana momba ilay ondry very dia iray amin’ireo andalan-tsoratra masina manome fanantenana be indrindra ao amin’ny Soratra Masina rehetra.”1

Mety ho lasa very daholo ny tsirairay amintsika noho ny antony samy hafa. Ary ho an’ny tsirairay amintsika dia mety efa mitady antsika ny fanampian’ Andriamanitra.

Sary
Ny tanan’ny Tompo mitsotra manakatra ny tanan’ny zatovolahy iray tao amin’ny kirihitra misy tsilo

Misy foana ny fanampiana

Tsy rehefa manota ihany isika vao afaka mahazo fanampiana, fa rehefa miaina araka izay tsara indrindra azontsika atao ihany koa. Nampianatra izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Manontany tena aho raha toa isika ka tsy manaiky tanteraka io lafiny mampaherin’ny Sorompanavotana io eo amin’ny fiainantsika kanefa manana fihevitra diso hoe tsy maintsy mitondra samirery ny enta-mavesatsika—amin’ny alalan’ny herintsaina sy herimpo ary fahasahiana sy fitsipi-pifehezantena miaraka amin’ilay fahaiza-manaontsika izay mazava ho azy fa voafetra.

“Zavatra iray tsara ho fantatra ny hoe i Jesoa Kristy dia tonga teto an-tany mba ho faty ho antsika. Saingy isika koa dia mila mankasitraka ilay hoe, ny Tompo dia maniry, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina mba hiaina ao anatintsika—tsy hoe hitarika antsika fotsiny fa mba hanome hery sy hanasitrana antsika koa.”2

Mendrika ny fanampiany ianao! Na taiza na taiza ny lalana nalehanao tato ho ato dia vonona ny handeha hiaraka aminao amin’ny dingana manaraka i Jesoa Kristy.

Sary
Zatovolahy sy i Jesoa Kristy mandeha manalavitra ny sampan-kazo misy tsilo

Hamoaka printy