“Nahoana aho no mila an’i Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.
Hery ao amin’ny fifandraisanao Aminy
Nahoana aho no mila an’i Jesoa Kristy
Tena ilaina ny fahatakarana ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy.
“Nahoana aho no mila an’i Jesoa Kristy?” Fanontaniana manan-danja hapetraka amin’ny tenanao izany—fa tsy ilay “rehetra” iombonana na ny “isikan’”ny fianakavianao. Fa tena hoe “izaho.” Inona no havaliko izany fanontaniana izany?
Ny valiny azoko dia tonga avy tamin’ny asa tamim-pinoana nataon’ny tenako, , ny fiezahana miaina ny fanekempihavanako isan’andro, ao anatin’izany ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa, ary ny fianarana mihaino ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahiny. Ary ny tena zava-dehibe, dia nifantoka tamin’ny fifandraisako tamin’ny Mpamonjy ahy izany.
Fifandraisana amin’ny Mpamonjy
Afaka mitanisa amim-pahatokian-tena ireo antony ilako ny ray aman-dreniko na ireo namako akaiky ahy indrindra aho. Nokolokoloiko tsy tapaka ireo fifandraisana ireo. Ny lanjan’izy ireo eo amin’ny fiainako dia hita maso sy matanjaka toy ny fotoana sy ny ezaka ataoko hanakaikezana azy ireo amin’ny alalan’ny zavatra tsotra toy ny resadresaka mahazatra, ny famantarana tsikelikely azy ireo, ary ny famelana ny fahendrena marina ananan’izy ireo hiantraika eo amin’ny fiainako.
Ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy dia afaka manaraka môdely mitovitovy amin’izany. Ilaina ny vavaka isan’andro amin’ny Ray any An-danitra atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Toy izany koa ny famantarana ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandinihana ny soratra masina, ny famakiana ny tenin’ny mpaminany sy ny apôstôly ary ny fihainoana ny Fanahy. Manamafy izany fifandraisana izany aho rehefa avelako hisy fiantraikany eo amin’ny fiainako sy ny toetrako ny zavatra rehetra ianarako.
Hevero ihany koa ny drafitry ny famonjena. Izany lohateny hoe “drafitry ny famonjena” izany dia midika fa ianao sy izaho—ny olona rehetra—dia mila famonjena ary ny famonjena dia ampahany amin’ny drafitra ho an’ity fiainana an-tany ity. Nila fanampiana isika ary tsy afaka namonjy ny tenantsika.
Saingy isika dia nirahin’ Andriamanitra ho etỳ an-tany miaraka amin’ny fampanantenana maharitra mandrakizay hoe hanome an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izay handresy ireo sakana izay mampisaraka antsika amin’ny fanatrehan’ Andriamanitra Izy.1 Ary rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika, dia mampanantena ny hanao izay rehetra azony atao, kanefa tsy manaisotra ny fahafahantsika misafidy, Izy mba hanampiana antsika hihazona ny fampanantenana masina ataontsika Aminy.2
Nila nahalala aho fa nahatakatra Izy
Natao batisa aho tamin’ny faha-16 taonako ary nipetraka tany New York City. Tamin’ny voalohany dia nahatsapa ho toy ny nandany fotoana be dia be tamin’ny fivezivezena teo amin’ny finoako vaovao, niaraka tamin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra miaraka amin’izany, ary ny fifandraisako amin’ny namana.
Nanahy aho hoe tsy hahazo namana azoko ifandraisana any am-pianarana. Saingy ny namako dia zatra nanao zavatra izay lasa tsapako fa manimba ny fanahiko ary tsy nifanaraka tamin’ny fitondrako eo amiko ny anaran’i Jesoa Kristy. Fantatro fa tian’i Jesoa Kristy hanao safidy tsara kokoa aho.
Ny zavatra tsy fantatro dia ny hoe takatry ny Mpamonjy ve ny fahatsapako fahasahiran-tsaina. Nihasarotra isan’andro izany satria nasaina nanao zavatra izay fantatro fa tsy tsara aho. Nanamarina azy ireo ho tsy mampidi-doza aho indraindray, saingy fantatro fa nanao marimaritra iraisana tamin’ny zavatra tsy tokony nanaovako izany aho.
Nila nahafantatra aho fa takatry ny Mpamonjy ny fahatsapako ho irery sy meloka rehefa nihevitra hatramin’ny hampihena ny fanajako ireo fenitry ny filazantsara mihitsy aza aho mba hahafahako mahatsapa fa manan-toerana eo anatrehan’ireo namako aho. Toy ireny safotry ny rano ireny aho. Nila famonjena aho. Nila an’i Jesoa Kristy aho.
Rehefa nihamafy ny fifandraisako Taminy
Nihamafy ny fifandraisako tamin’i Jesoa Kristy rehefa fantatro ny antony nilako Azy. Nitranga izany rehefa nanomboka tsy nijanona teo amin’ny fahafantarana fotsiny ihany fa tokony hiaina ny filazantsara aho fa lasa nahatakatra koa ny antony nahatonga ahy ho te-hiaina ny filazantsara sy nangataka fanampiana hanaovana izany. Nandohalika fotsiny aho ary namboraka ny tao am-poko tamin’ Andriamanitra, tamin’ny fanantenana fa miraharaha ahy sy ny olako Izy, fa ny drafitry ny famonjena dia natao mba hanampiana ahy, fa na dia ny fahasambarako aza dia ao anatin’ilay drafitra.
Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika ny fifandraisantsika Aminy. … Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindrampo amintsika.”3
Niresaka tamin’ny Ray any An-danitra momba ny fahatsapako ho meloka aho, ny tsy nahafantarako izay tokony hatao mba hihazonana miaraka ny fenitro sy ny namako. Nolazaiko Azy fa tsy sambatra aho ary afaka ny tena hampiasa ny fanampiany.
Teo am-pandohalihana aho no nanomboka niaina fiadanana. Io fahatsapana fiadanana io dia nanampy ahy hahatakatra fa ny Mpamonjy dia tena nahafantatra ny zavatra tsapako ary tena miraharaha be, raha ny marina.
Rehefa nihalehibe aho ka nivelatra kokoa ny fomba fijeriko, dia fantatro fa isaky ny manatona an’ Andriamanitra aho ka mangataka fanampiana na famelan-keloka, dia toy ireny hoe misy mitondra any amin’ny Sahan’i Getsemane ireny aho, toerana izay nampangovitra ny Mpamonjy noho ny fangirifiriana ary nanombohany nijaly ara-batana sy ara-panahy noho ireo fahadisoana sy fahotana izay mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra.4 Fampahatsiahivana izany fa mahatakatra ny zavatra andalovako mihoatra noho izay azon’ny olon-kafa rehetra atao Izy.
Tsy irery
Rehefa niala teo am-pandohalihana aho, dia nanampy ahy hanavaka zavatra sasantsasany ny Fanahy ary nanentana ahy hanao zavatra hafa. Voalohany, tsaroako fa Silamo ny iray tamin’ireo namako ary tsy nangatahina hanao marimaritra iraisana amin’ny fenitra arahiny velively satria manaja ny finoany izahay ary mahatakatra fa nisy zavatra sasany tsy ho ataony. Nahatsapa ho nentanim-panahy aho hizara ny finoana vaovao nananako tamin’ny namako mba hahafahan’izy ireo mahatakatra kokoa ny momba ahy ihany koa sy ny antony maha-zava-dehibe amiko ireo fenitra vaovao arahiko.
Nanomboka tamin-javatra kely aho. Nolazaiko tamin’ny namana iray ny fomba nitolomako mafy. Tsara fanahy sady nanaja izy. Nanampy ahy izy rehefa niresaka tamin’ny namana hafa aho. Tsy ny rehetra no nahatakatra, fa rehefa nandeha ny fotoana, dia hitako fa nanao drafitra ahafahako mandray anjara izy ireo, izay tsy nandika ny fampanantenana nataoko tamin’ Andriamanitra.
Fantatro fa afaka mampiasa hery bebe kokoa isika rehetra mba hanoherana ny fitaomana tsy mitsahatra ataon’izao tontolo izao. Manampy amin’izany ny fitandremana ny fanekempihavanana, ary i Jesoa Kristy no ivon’ny fanekempihavanantsika.5 Izay no hitako mahakasika ny hoe - nahoana aho no mila an’i Jesoa Kristy.
Ny fodiana any amin’ Andriamanitra dia tsy zavatra azoko atao izaho samirery. Ary be dia be ireo dingana kely sy zavatra iainana isan’andro izay hataoko, izaho sy isika rehetra, amin’izany fandehanana mody izany. Kanefa dia tahiana tokoa isika amin’ny maha-mpanao fanekempihavanana sy mpitandrina fanekempihavanana antsika ka “tsy ho reraka mihitsy … amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika” mandra-pahatongantsika any Andriamanitra.