Ho zatovo mahery!
Ilay Mpiandry anao rehefa mamakivaky ny lohasahan’ny tahotra
Martsa 2024


“Ilay Mpiandry anao rehefa mamakivaky ny lohasahan’ny tahotra,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery anoherana ny tebiteby sy ny tahotra

Ilay Mpiandry anao rehefa mamakivaky ny lohasahan’ny tahotra

Amin’ny fotoana mampitebiteby dia afaka mihaino ny feon’ny Mpiandry antsika isika.

Sary
I Jesoa Kristy amin’ny maha-mpiandry tsara Azy

The Lord Is My Shepherd [Jehovah no Mpiandry ahy], nataon’i Yongsung Kim

Iray amin’ireo toko malaza indrindra ao amin’ny soratra masina ny Salamo 23. Ny mpino avy amina fivavahana maro manerana izao tontolo izao dia mbola mahazo fampiononana hatrany ao amin’ireo andininy voasoratra taona maro lasa ireo.

Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.

Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.

Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.

Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.

Sary
zanak’ondry

Efa teo akaikina ondry ve ianao? Somary taitaitra izy ireny ary manomboka mihazakazaka raha vao misy feo mafy na fihetsehana. Tsy mbola nisy nilaza fa tsy matahotra na inona na inona mihitsy izy ireny! Ary angamba zavatra iray azontsika ianarana avy amin’io sarinteny io izany - fantatry ny Tompo fa hisy fotoana hatahotra ny tsirairay avy amintsika. Tsy misy mahamenatra ny amin’izany! Ao anatin’ny zava-tsarotry ny fiainana an-tany izany. Amin’ny ireny fotoana mampitebiteby ireny dia afaka mihaino ny feon’ny Mpiandry antsika isika. Miezaka mitarika antsika amin’ny “ahi-maitson’”ny fiadanana sy ny fiarovana any aoriana any Izy. Ireto misy fomba sasantsasany anasany antsika am-pitiavana hanara-dia Azy.

  • Sary
    Zatovovavy mamaky soratra masina

    Halalino ny tenin’ny Mpiandry antsika, toy ireo fampianarany ao amin’ny Testamenta Vaovao, 3 Nefia, na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Rehefa manao izany isika dia voafahana ara-panahy ary lasa afaka mahalala kokoa ny feony amin’ny hoavy.

  • Sary
    Zatovolahy mivavaka

    Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy amin’ny fotoana rehetra, mba hangatahana fampiononana sy fiadanana eo amin’ny fiainanao.

  • Sary
    Reny mamihina zanakavavy

    Ekeo fa ny fanampian’ny Mpamonjy dia mety hiseho amin’ny endrika maro, ao anatin’izany ny ray aman-dreny, ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ny namana, eny fa na dia ny dokotera sy ireo olona matihanina hafa aza.

  • Sary
    Zatovolahy ao am-piangonana

    Miaraha mivory amin’ny olona hafa izay tia ny Mpamonjy, toy ny any am-piangonana na any amin’ny seminera. Izany dia afaka mampifandray antsika amina vondron’Olomasina be fitiavana izay miara-miasa mba hanara-dia ny Mpamonjy sy handresy olana mampatahotra miaraka amin’ny fanampiany.

Sary
zatovolahy

Ny fandresena ny tahotra, indraindray, dia dia, toy ny fandehanana mamakivaky lohasaha maizina, araka ny resahin’ny Salamo 23. Afaka mijoro ho vavolombelona i Nicolas F., avy any Brezila fa raha manohy mandroso ianao dia ho tonga ny fanasitranana. Niady mafy tamin’ny fahatsapana tsy fahombiazana sy tahotra nandritra ny fotoana ela izy.

“Nivavaka be aho, nangataka tamin’ Andriamanitra mba hanaisotra ny eritreri-dratsy tao an-tsaiko, nangataka Taminy mba hanaisotra ny fihetseham-po ratsy,” hoy izy. Nandalo fotoana nampikorontan-tsaina izy ary mbola nieritreritra ireo fahadisoana nataony.

“Niezaka nitady ny herin’Andriamanitra aho, nefa tsy mbola natsapa ny fanasitranany,” hoy i Nicolas. Nizaha ny soratra masina izy mba hahitany andininy momba ny fandresena ny tahotra ary nahita hery tao anatin’izany teny izany. Nahazo fanohanana avy amin’ny reniny sy ny hafa izy.

Nony farany, indray tolakandro, dia nahatsiaro ho sitrana sy feno fankasitrahana tokoa izy. Tsapany hoe hatraiza ny zavatra nandalovany.

“Toy ny tany am-ponja ny fahatsapako ny tenako taloha,” hoy izy. “Saingy ankehitriny dia tsapako ho afaka mandresy amin’ny ady aho. Rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo aho dia mahatsapa fanantenana.”

Na toa tehezan-tendrombohitra tarafin’ny masoandro na lohasaha malomaloka io vanim-potoana eo amin’ny fiainana io, dia manana Mpiandry tsara ianao, ary hiara-hiasa aminao Izy. Tiany ianao! Hanampy anao ho tafavoaka amin’izany Izy. Mijanòna eo akaikiny dia hitarika anao ho amin’ny fiadanana Izy.

Hamoaka printy