“Sary maneho hery,” Ho zatovo mahery! mar. 2024.
Sary maneho hery
Sary avy amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy antsika sy herintsika.
Tonga teto an-tany hanampy anao hiverina amin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Izy irery ihany no afaka manao izany.
“Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.”
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”
“Ireo rehetra izay mijaly noho ireo karazana rofy rehetra eto amin’ny fiainana an-tany dia tokony hahatsiaro fa ny Mpamonjintsika ihany koa dia efa niaina izany karazana fanaintainana izany ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no hanolorany amintsika tsirairay avy ny hery mba hahazakana izany.”
Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2021 (Liahona, mey 2021, 77).
Manasitrana anao ny herin’i Jesoa Kristy, manampy anao hiova, ary manome hery anao hiaritra fitsapana.
“Mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.
“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”
“Ny Mpamonjy dia tia mamerina amin’ny laoniny izay tsy azo averina amin’ny laoniny. Tiany ny manasitrana ireo ratra tsy azonareo sitranina, tiany ny manamboatra izay vaky tsy azo amboarina,efainy izay tsy mety ho fahamarinana rehetra mihatra aminareo,ary tiany ny manasitrana tanteraka ireo fo maratra.”
Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2020 (Liahona, mey 2020, 44).
“Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.”
Mianara Aminy. Manàna finoana Azy. Manaraha Azy. Afaka miaraka aminao mandrakariva ny heriny.
“Tsy vitako samirery izany ary tsy voatery hanao izany irery aho no sady tsy hanao izany irery. Noho ny safidiko ny hifamatotra amin’ny Mpamonjiko, Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana efa nataoko tamin’ Andriamanitra no ahafahako “mahay ny zavatra rehetra … ao amin’ilay mampahery ahy” [Filipiana 4:13].”
Ny Filoha Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2023 (Liahona, mey 2023, 82).
“Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao. Ny fampianarany no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany masina.”
“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Médiathèque de l’Évangile.
Jereo ny application Gospel Living amin’ity volana ity mba hahitana asakanto sy horonan-tsary fanampiny momba ny fiainan’ny Mpamonjy.