Ho zatovo mahery!
Ny fiovana tsara azon’ny fahasoavan’i Kristy entina
Martsa 2024


“Ny fiovana tsara azon’ny fahasoavan’i Kristy entina,” Ho zatovo mahery!, . 2024.

Hery handresena ny fahotana

Ny fiovana tsara azon’ny fahasoavan’i Kristy entina

Rehefa takatsika fa tsy misy zavatra tsy maintsy atao mba ho mendrika ny fahasoavan’ny Mpamonjy ary afaka ny hahazo izany foana isika, dia afaka ny hisy zava-mahagaga miseho eo amin’ny fiainantsika.

zatovolahy ao anaty lala-mifampidipiditra

Sary nataon’i Jarom Vogeln

Tamin’ny fotoana naha eveka ahy dia nahagaga ny nahita ny fanamaivanana tsapan’ny zatovo rehefa nihaona tamiko hiaiky fahotana tao anatin’ny fibebahan’izy ireo izy ireo. Na izany aza dia tsy maintsy nahatsikaritra toe-javatra miverimberina aho: miaiky, mahazo aina kokoa, ary avy eo, na dia eo aza ny fikasana tsara indrindra ananan’izy ireo, dia manao hadisoana indray ny zatovo. Avy eo dia miaiky izy ireo, mahazo aina kokoa, dia manao hadisoana indray. Aorian’ny fandalovan’izy ireo intelo na inefatra amin’izany fitamberimberenana izany, dia matetika izy ireo no milavo lefona.

Feno fankasitrahana aho fa ireo zatovo ireo dia nampianarina fa, i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, dia manolotra azy ireo fahafahana hibebaka sy hanomboka indray. Na izany aza dia nanahy aho fa angamba tsy takatr’izy ireo tsara ny momba ilay fitahiana iray hafa atolotry ny Mpamonjy: ny fahasoavany, dia ilay hery manampy1, fanampiana masina, ary “fanomezana hery izay ahafahantsika mivoatra avy amin’ilay olona tsy tanteraka sy manam-petra misy antsika amin’izao fotoana izao, ka ho tonga olona misandratra.”2

Nanapa-kevitra ny hampianatra mazava kokoa aho, araka ny nampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fibebahana … dia dingana”3 izay matetika mitaky fotoana sy ezaka miverimberina.4 Tiako ho fantatry ny mpikambana tao amin’ny paroasiko fa Andriamanitra dia mihaona amintsika any amin’izay misy antsika ary manolotra fahasoavana mba hanampiana antsika mandritra ny dingan’ny fandavorariana, na ahoana na ahoana faharetan’izany.

Ny fomba anampiana anao amin’ny alalan’ny fahatakarana ny fahasoavana

Taona vitsy lasa izay, ny fandinihana natao tamina tanora mihoatra ny 600 tao amin’ny Brigham Young University dia naneho fa ireo izay nahafantatra sy nahatakatra ny fahasoavana dia tsy dia nahitana fahaketrahana, tebiteby, henatra ary fitadiavana ny tonga lafatra kokoa.5 Ny fandinihana iray natao mba hamakafakana lalina kokoa ilay lohahevitra dia naneho fa ny finoana ny fahasoavana dia mifandray amina lentam-pankasitrahana, fahatokian-tena, fahatsapana fa misy dikany ny fiainana, fahafaham-po amin’ny fiainana ary fahitana lafiny tsara foana ambonimbony kokoa.6

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe mahatsiaro ho tsy dia menatra kokoa ary matoky tena kokoa ny olona rehefa takatr’izy ireo fa misy eto sy amin’izao fotoana izao ny fahasoavana, fa tsy hoe aorian’ny fahazoana izany noho ny zavatra natao na ny fahamendrehana hahazo izany. Rehefa fantatsika fa manampy antsika Andriamanitra na inona na inona nataontsika na impiry na impiry no tsapantsika fa nandiso fanantenana Azy isika, dia mahatsapa ho entanim-panahy hanandrana hatrany isika.7

“Nandiso fanantenana ny Ray any An-danitra”

Vao haingana no nisy misiônera iray naratra nandritra ny hetsika fanatanjahan-tena tamin’ny andro fiomanana ary nalefa nody mba ho sitrana. Nanana tanjona avo mba hahazo ny fanampiana ara-batana nilainy izy ary avy eo dia hiverina hanao ny asa fitoriana tokony hataony. Kanefa tsy ela dia nitarika ho amin’ny fahalavoana indray tamin’ireo fahazaran-dratsy teo aloha ny fiainany irery tao anatina fotoana betsaka loatra tsy nisy lamina narahina.

Nanara-po tamin’ny ota izay noheveriny fa efa nibebahany sy nafoiny tanteraka talohan’ny nanaovany asa fitoriana izy. Kivy sy sosotra tamin’ny tsy fananany fifehezan-tena izy. Arakaraka ny nahaketraka azy no vao mainka naniriany hiroboka tao anatin’ireo fahazaran-dratsy ireo. Fitamberimberenana nitondra nidina izay nahatonga azy ho any amin’ny lalana tsy izy izany.

“Toa tsapako fa nandiso fanantenana ny Ray any An-danitra aho,” hoy ilay tovolahy tamin’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana. “Nibebaka tamin’izany aho taloha, ary namela ahy Andriamanitra. Nampanantena ny tsy hanao izany intsony aho, saingy inty aho ity, ohatra ireny hoe tsy mbola nibebaka ireny mihitsy. Tsy mendrika ny hahazo ny famelan-keloka na ny fanampian’ Andriamanitra aho. Tsy amin’izao fotoana izao Dia na oviana na oviana koa.”

Hoy ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana : “Ary moa ve tsy mahafaly anao ny mahafantatra fa fanomezana ny fahasoavana? Tsy mila hoe mendrika ny hahazo izany ianao. Mila misafidy ny handray izany amin’ny alalan’ny fahavononana hanohy hiezaka fotsiny ianao ary tsy kivy.”8 Avy eo dia nizara ireto tenin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto ilay mpitarika: “Mety misy fotoana isika ho solafaka indray, fa aoka isika hiverina handohalika haingana sy amim-panetren-tena ary hiverina amin’ny lala-marina indray.”9

Zatovolahy miala avy ao anatina lalana mifampidimpiditra

Mbola nitodika tany an-danitra indray ilay tovolahy, ary teo ny Mpamonjy hanampy. Tsy ny ratran’ilay tovolahy ihany no sitrana fa ny fony ihany koa. Tanjona kely iray isaky ny mandeha, ary rehefa niampy ilay fahasoavana izay nataon’i Jesoa Kristy ho azo tanterahina, dia nanomboka nihatsara izy. Tsy ela dia niverina tany amin’ny asa fitoriana nataony izy sady feno fankasitrahana, fahatokian-tena, fahatsapana ho nanan-danja, fahafaham-po amin’ny fiainana ary fahitana ny lafiny tsara foana. Izany no fiovana azon’ny fahasoavan’i Kristy entina.