Ho zatovo mahery!
Mahatohitra ny fakam-panahy
Martsa 2024


“Mahatohitra ny fakam-panahy,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery handresena ny fahotana

Mahatohitra ny fakam-panahy

Afaka manatanjaka anao ny Mpamonjy rehefa katsahinao ny hiala amin’ny fahotana.

Ny fibebahana dia fahagagana. Nataon’i Jesoa Kristy ho zavatra azo tanterahina izany. Faly ny Ray any An-danitra mamela antsika rehefa misafidy ny hibebaka sy hanaraka ny didiny isika. Na dia samy mila mibebaka daholo aza isika rehetra mandritra ny androm-piainantsika, dia ahoana no ahafahantsika manohitra ny fahotana sy manao safidy tsara kokoa?

Ireto misy torohevitra vitsivitsy hahazoana hery amin’ny alalan’i Jesoa Kristy hanoherana fakam-panahy:

  • Vakio isan’andro ny soratra masina.

  • Mivavaha isan’andro.

  • Mandehana mivavaka any am-piangonana tsy tapaka.

Indraindray isika dia tsy manisy lanja ireo zavatra ireo toy ny vahaolana efa mahazatra sy mazava ho azy. Aza manaiky ho tratran’izany fandrika izany! Averimberina matetika ireo vahaolana fototra ireo satria izy ireo no vahaolana fototra! Mahomby ireo.

Ataovy ireo zavatra ireo dia hanakaiky kokoa ny Mpamonjy anao ianao.

Hamoaka printy